(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Aostralia: Fihetsehampo mifangaro manoloana ny fitomboan'ny famatsiambola omena ny Haran-dranomasina Lehibe (GBR), mialoha ny fifidianana [1]
['Kevin Rennie']
Date: 2023-03-07
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy tamin'ny Febroary 2022)
Nanome toky handrotsaka vola mitentina 1 lavitrisa dolara aostraliana (710 tapitrisa dolara amerikana) ny governemanta Aostraliàna ho hanampiana amin'ny fanavotana ny Haran-dranomasina Lehibe (Great Barrier Reef); izay nahatonga ireo mpanara-baovao maro ao an-toerana sy avy any ivelany ho tena “tohina”.
Tamin'ny taona 2021, niatrika ny fanasokajian'ny Komitin'ny Vakoka Iraisam-pirenena avy amin'ny UNESCO (Fikambanan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fanabeazana, Siansa ary Kolontsaina) ho toerana “tandindonin-doza” ilay haran-dranomasina ary nangatahana ny governemanta Aostraliàna mba handray “fepetra haingana” hanampiana amin'ny fiarovana azy manoloana ny fiovan'ny toetrandro.
Tamin'ny volana Jolay, taorian'ny fanentanana fanaovana adisisika mafonja dia vitan'i Sussan Ley, ministry ny tontolo iainana, ny nisoroka io vokatra tena mety hanorisory io.
Araka izany, hatramin'ny Febroary 2022 ny UNESCO dia miandry an'i Aostralia mba handefa tatitra vaovao ho azy, manome amin'ny antsipirihany ny drafitra apetrany hanatsarana ny “kalitaon'ny rano sy ny fitantanana ilay faritra” hahafahana mampiroborobo “haingana hetsika iray amin'ny an-tanan-tohatra rehetra”…. mba hiatrehana ireo ambana entin'ny fiovan'ny toetrandro”.
Tamin'izany fotoana izany ny Profesora Lesley Hughes, mpitondra tenin'ny Climate Council (Filankevitra momba ny Toetrandro), dia nanohana ny hoe:
Tao anaty media an-tambajotra iray tsy miankina, The Conversation, mpahay siansa telo avy amin'ny Anjerimanontolo James Cook no nilaza fa ny komitin'ny UNESCO dia nionona tamin'ny “fakàna fihetsika miandry sy mijery fotsiny”. Notakian-dry zareo ny hisian'ny hetsika eo an-toerana, nasionaly ary iraisam-pirenena:
Ny hoavin'ny vatohara dia mbola mijanona ho olana pôlitika sy ara-tontolo iainana miverimberina ho an'ny governemanta, izay miatrika fifidianana indray amin'ny tapany voalohany amin'ny 2022.
Mitovitovy amin'ny 111 tapitrisa dôlara eo ny vola holaniana isantaona mandritra ny sivy taona. Fotoam-piasàna telo ho an'ny governemanta no mitovy amin'izany. Ho atokana ho an'ny fanatsaràna ny kalitaon'ny rano, hiadiana amin'ny fihotsahan'ny tany, fanatsaràna ny toetoetry ny tany sy fampihenàna ny fikorianan'ireo otrikaina sy fanafody famonoana bibikely ny antsasany. Misy ihany koa tahirimbola atokana hiadiana amin'ny fihanak'ireo kintan-dranomasina, ny ’acanthaster pourpre’, izay manimba ny rohivoary ao an-toerana.
Ny famatsiambola dia natao hitodika mazava tsara amin'ny famaliana ireo endrika voalohan'ny tolokevitra avy amin'ny Vaomieran'ny Vakoka Manerantany ao amin'ny UNESCO. Tao anaty fanambaràna an-gazety iray niarahana tamin'i Ley, minisitry ny tontolo iainana, nambaran'i Scott Morrison, Praiminisitra, fa zava-kendreny ny “hanamafy ny fahafaha-miatrika”, fanekena niniana anatao an'ilay voambolan'ny UNESCO.
Na izany aza, mety tsy ho tsara fandray an'ilay fanolorantenan'i Aostralia nandritra ny COP26 momba ny fiovàn'ny toetrandro ny UNESCO. Ny “fanapariahana ireo teknôlôjia vaovao fampifanarahana amin'ny toetrandro” no tian'ilay fanambaràna an-gazety ho ambara. Tsy resahany mivantana ny olan'ny toetrandro ary tsy misy na iray aza fanolorantena ho an'ny fampihenana ny fandefasana entona karbôna. Araka ny voalazan'ny Tondron'ny fiovaovàn'ny Toetrandro, noho ny pôlitikany momba ny toetrandro dia laharana farany amina firenena 60 ankehitriny no misy an'i Aostralia.
Maro ireo izay nankasitraka an'ity famatsiambola ity, saingy naneho ny fisalasalàny mikasika ny tsy fisian'ny hetsika ataon'ny governemanta ho an'ny resaka toetrandro.
Naneho hevitra teo amin'ny pejy Facebook-n'ny minisitra Ley i David Hudspeth, mahazatra amin'ireo fanehoankevitra marobe eny amin'ny tambajotra sosialy :
Fa etsy andanin'izay, Graham Young, ilay lazaina fa liberaly klasika sady tonian-dahatsoratry ny tranonkala Online Opinion, dia naka fomba fijery mitsinjo lavitra, nanala ny dindon'olombelona amin'ny fahasalaman'ny haran-dranomasina :
Amin'ny fifidianana hatao amin'ity taona ity dia mpifaninana amin'i Josh Frydenberg , ilay mpitahiry vola federaly amin'izao fotoana izao, i Monique Ryan. Iray amin'ireo lohahevitra fototry ny fampielezankeviny ny fiovaovàn'ny toetrandro, toy izay asehon'ity bitsika ity mazava tsara:
Si ce gouvernement voulait sauver la Grande Barrière de Corail, il aurait agi il y a des années. Les changements climatiques constituent la plus grande menace pour notre récif et les objectifs climatiques de ce gouvernement sont inadéquats. Ce n'est rien d'autre qu'un coup électoral. #auspol #Mon4Kooyong
https://t.co/5Es56ThvBu
Raha raisina ny maha-efa akaiky ny fifidianana, marobe ireo mpisera anaty aterineto no nanakiana ny fihetsiky ny governemanta :
Marobe ireo mpampiasa Twitter no nandray ny fanolorantenan'ny governemantan'i Morrison amin'ny solika fôsily, indrindra fa ny arintany sy ny entona, ho toy ny olana fototra :
Vous savez ce qui aiderait *vraiment* la Grande Barrière de Corail @sussanley?
Arrêter vos 116 nouveaux projets d'exploitation de gaz et de charbon en cours👇 et encourager les autres à faire de même (c'est-à-dire la voie Net Zero de l'AIE pour limiter le réchauffement et sauver la GBR). @RNBreakfast
https://t.co/K3pe86VnCz
— Richie Merzian (@RichieMerzian) 27 janvier 2022
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/03/07/162842/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/