(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nahoana no nesorina tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana any Shina ny fanafody COVID-19 lehibe Paxlovid? [1]
['Oiwan Lam']
Date: 2023-01-27
Nanapa-kevitra tsy hampiditra ny Paxlovid, fanafody COVID-19 mahomby, ao anatin'ny lisitr'ireo fanafody voarakotry ny tetikasa fiantohana ara-pahasalamana fototra tamin'ny herinandron'ny 9 Janoary 2023 i Shina. Mety hanakana olona mahantra an-tapitrisany tsy hahazo Paxlovid ny fanapahan-kevitra rehefa tapitra ny fifanarahana vonjimaika mifarana amin'ny faran'ny volana marsa 2023.
Namoaka fanambarana ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana OMS tamin'ny 22 aprily 2022, manoro hevitra mafy ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana hampiasa Paxlovid hitsaboana ireo marary voan'ny COVID-19. Nantsoiny hoe fanafody “mamonjy aina” ilay fanafody miady amin'ny otrikaretina ary “safidy ara-pitsaboana tsara indrindra ho an'ireo marary atahorana ho faty hatramin'izao.”
Nomen'ny manampahefana Shinoa tsiny ny mpanamboatra ny Paxlovid Pfizer noho ny fahalafosan'ny fanafody, izay voamarika amin'izao fotoana izao ho RMB 1.890 yuan (eo ho eo amin'ny 280 dolara Amerikana) isaky ny boaty. Amidy amin'ny vidiny 530 USD ny Paxloviod any Etazonia ary 700 USD isaky ny boaty any Hong Kong sy Taiwan. Nahazo fihenam-bidy 70 isanjato i Shina ho an'ny firenena antonony sy kely fidiram-bola.
Araka ny loharanom-baovao isan-karazany, vonona hampidina ny vidiny ho eo amin'ny RMB 600 yuan (latsaky ny 100 dolara) ny Pfizer mandritra ny dingana fifampiraharahana. Na izany aza, tadiavin'i Shina ho eo amin'ny RMB 200 yuan (eo ho eo amin'ny 34 dolara amerikana) eo ny vidiny, izay mitovy amin'ny vidin'ny Paxlovid endrika jenerika amidy any India sy any amin'ny firenena mahantra hafa. Tsy voasokajy ho firenena mahantra i Shina.
Raha tokony ho Paxlovid, nampiditra fanafody miady amin'ny otrikaretina Azvudine ao aminy taniny sy fanafody sinoa nentim-paharazana Qingfei Paidu Decoction ao anatin'ny drafitrany momba ny fiantohana ara-pahasalamana ho an'ny fitsaboana COVID-19 i Shina. Tsy voaporofo ny fahombiazan'ireo fanafody roa ireo satria tsy ampy ny angon-drakitra ara-klinika.
Ny mpanankarena sy ny saranga antonony ao Shina no mbola hahavita hahazo fanafody miady amin'ny otrikaretina (antiviral). Rehefa tapitra amin'ny volana marsa ny drafitra fiantohana vonjimaika, mbola afaka mamoaka Paxlovid ho an'ireo marary afaka mividy izany tsy misy fiantohana ny hopitaly any amin'ny tanàn-dehibe. Raha ny marina, satria mihamitombo ny tinady amin'izao fotoana izao, mandoa RMB 20,000 be izao (eo amin'ny 3.000 dolara eo ho eo) ny mpanankarena hividianana boaty Paxlovid ho an'ny hamehana ao an-trano, ary amidy amin'ny alàlan'ny varomaizina amin'ny vidiny eo ho eo amin'ny RMB 2.000 ny endrika jenerika. Na izany aza, tsy hahazo ny fanafody COVID-19 ireo mahantra, indrindra fa ireo any amin'ny faritra tsy mandroso kokoa sy ambanivohitra.
Mizarazara ny fomba fijery ao amin'ny media sosialy Shinoa. Taorian'ny fanafoanana ny fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana, nanome tsiny ny Pfizer ny mpitarika ny propagandy noho ny fandavany hampidina ny vidiny, araka ny hita taratra ao amin'ny siokan'i Hu Xijin, mpaneho hevitra malaza ao amin'ny Global Times izay vatsian'ny fanjakana:
China’s talks to include Pfizer’s Paxlovid in insurance drug list has failed due to its high price. Its price in China has sparked public outcry. It is an act of taking advantage of others difficulties and it’s Pfizer’s moral responsibility to lower the price of exports to China
— Hu Xijin 胡锡进 (@HuXijin_GT) January 8, 2023
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/01/27/162194/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/