(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ho fahatsiarovana an'i Moshe Ha Elion, Jiosy Sefarady, mpanoratra, tafavoaka velona tamin'ilay Famonoana Tambabe (Haulocaust) tao Thessaloniki [1]

['Filip Stojanovski']

Date: 2022-11-16

Nodimandry ny 1 Novambra teo amin'ny faha-97 taonany i Moshe Ha Elion, ilay mpanoratra sy mpandika lahatsoratra tafavoaka velona tamin'ny Famonoana Tambabe, hoy ny tatitry ny eSephard.

Avy any Thessaloniki, Gresy, no fiaviany ary tamin'ny alàlan'ireo tsiahiny sy ny tononkalony navoakany tamin'ny fiteny Ladino sy Hebreo, dia fantatra izy eo amin'ny sehatra iraisampirenena amin'ny fandraketana ireo fijaliana nozakain'ireo Jiosy tao Salônika tany anatin'ireo toby Nazi famonoana. Nonina tao Israely i Ha Elion ary nanao ny asa fisoloana tena ny vondrom-piarahamonin'ireo Jiosy Sefarady, sy mpampiroborobo ny fitenin-drazandry zareo : ny Ladino, na ny jiosy-espaniôla, fiteny romantika iray teraka avy amin'ny Espaniôla tranainy, ary iray heverina ho tandindonin-doza.

Ladino manampahaizana, mpanabe ary mpikatroka i Dr. Bryan Kirshen, izay vao herinandro monja izay no nisaona ny fodiamandrin'i Moris Albahari avy ao Bosnia & Herzegovina, iray tamin'ireo hany sisa mpiteny ny Ladino tao Balkàna, no naneho ny nenininy tamin'ny alàlan'ny Twitter:

Another titan in the #Sephardic world has passed. Moshe Haelion was born in 1925 in Salonica; he survived the #Holocaust, and is well known for his #Ladino publication “En los kampos de la muerte”, for which “La djovenika al lager” was set to music. En ganden ke repoze su alma.

— Bryan Kirschen (@LadinoLinguist) November 1, 2022

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/11/16/161023/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/