(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Mpikatroka ampolony notanan'ny polisy nandritra ny famorian'ny antoko mpanohitra tany Azerbaijan vahoaka [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2022-11-05
Tany Azerbaijan, nikasa hanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny birao fitantanan-draharaha tao Baku renivohitra ny Antoko Mandam-Bahoaka avy amin'ny fanoherana tamin'ny 25 Oktobra. Iray amin'ireo fitakiana navoakan'ny antoko mpanohitra ny fanavaozana demaokratika. Talohan'ny famoriam-bahoaka nokasaina atao, nolavin'ny Birao Fitantanan-draharahan'ny Tanàndehiben'i Baku ny fahazoan-dàlana hanao ilay famoriam-bahoaka. Araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, nanomboka nanodidina ireo mpikambana ao amin'ny antoko sy ireo mpanatrika hafa ny polisy ora maro mialoha ny fihetsiketsehana nokasaina atao. “Tokony ho tamin'ny 3:40 folakandro teo ho eo, nanomboka nisambotra ireo olona rehetra tonga teo, na ireo izay hita niresaka tamin'ny mpanao gazety ny polisy,” hoy ny tatitra avy amin’ny masoivohom-baovao Turan tamin'ny 24 Oktobra.
A protest rally in front of the Baku Executive Power building, organized by the Popular Front Party of Azerbaijan, according to unofficial data, about 100 people were detained. pic.twitter.com/7DtdCPUmmy
— Ulviyya Ali (@UlviyyaAli) October 24, 2022
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/11/05/160662/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/