(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



‘Tsy haintany fa fandrobàna,’ hoy ireo mpikatroka lazaina ho jiolahy amin'ny lalàna vaovao ao Querétaro, Meksika [1]

['Elvira Herrera']

Date: 2022-10-25

Miatrika krizin-drano lehibe izay manampy trotraka ny fitantanan-drano tsy ara-rariny ny fanjakana meksikana iray antsoina hoe Querétaro — izay manana fahamaroana ara-javamananaina sy ara-kolontsaina goavana izay ivelaran'ny andian'afotroa (volokano) sy tangoron-tendrombohitra maro — ary miala adiny telo avy ao an-tanànan'i Mexico ao afovoan'ny firenena. Notoherin'ny vahoaka ny lalàna vaovao mifehy ny servisin-drano. Misy amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona ihany koa no nenjehin'ny fitsarana tamin'ny ady heloka bevava.

Ny ankamaroan'ny fahapotehana ara-tontolo iainana dia vokatra mivantana avy ny fahaverezan'ny faritra fitsihan'ny rano ambanin'ny tany sady famahanan-drano [fitehirizan-drano], noho ny fanitarana tafahoatra ny faritry ny tanandehibe. Niteraka hantsana eo amin'ny fahazoana rano izany, fahalafosan'ny servisy fitsinjaran-[drano], ny fampihenana tsy voafehy ary ny fitomboan'ny fahatapahan-drano.



Nandritra ny telo volana mahery, ireo fikambanana sivily, mpiaro ny tontolo iainana, mpiasan'ny fampianarana ambony, ary vondrom-piarahamonina eo an-toerana no nanao hetsika manohitra ilay antsoina hoe Lalànan'ny fifanarahana[mg] nankatoavina tamin'ny volana mey tamin'ity taona ity ary voatsikera ho manome vahana ireo mpandraharaha tsy miankina hanaovana fifanarahana servisy. Ao anatin'ny fiarovana ny ampihimamban'ireo mpanangan-trano goavana, tsy noraharahian-dry zareo ny rohivoarin'ny rano sy ny fiantohana ahafahan'ny olona manovo izany. Vokatr'io fifanarahana io dia faritra tsy mety amin'izany no lasa ananganan-trano maro ary noferana ho an'ireo fonenana ahazoan-dry zareo tombombarotra manokana ny fitsinjaran-drano.

Nohamafisin'ireo mpiaro fa mifanohitra amin'ny tolo-kevitry ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona hahazo rano ity fitsipika vaovao ity. Tsy nohenoina ihany koa ny fampitandremana amin’ireo trangan-tsy fetezan‘ity maodely ity amin'ny famatsiana araka ny hitsiny ny rano manerana izao tontolo izao.

Teo anelanelan'ny volana Mey ka hatramin'ny Aogositra, tafiditra tao anaty ezaka fanoheran'ny Tambajotra miaro ny rano sy ny aina (REDAVI) sy ireo fikambanana hafa mpiara-miombon'antoka, ny fihetsiketsehana an-dalambe, fetiben'olom-pirenena, vondrom-pifampidinihana, tsanganasa kanto, ary valan-kevitra ho an'ny mpanao gazety eo an-toerana, nasionaly ary iraisampirenena. Nametraka fitoriana ao amin'ny fitsarana izay mbola mandeha amin’izao fotoana izao ihany koa ry zareo, toy ny fepetra fampiatoana vonjimaika izay nanamafisan'ny fitsarana ny ambana aterak'ity lalàna ity amin'ireo zo manokana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa izany fa tsy mahavaha ny olana fototra.

Any amin'ireo vava ady maro, heverin'ny fiarahamonim-pirenena ho maizimaizina sady ahitana endrika fanenjehana ara-politika ny setriny mahazo ireo mpiaro ny rano ao Querétaro. Nandritra ny fihetsiketsehana am-pilaminana notanterahana tamin'ny 10 Jona, nosamborin'ny polisim-panjakana ireo mpanao fihetsiketsehana, anisan'izany ny vehivavy, ny ankizy ary ny zokiolona. Tanora mpiaro telo no naondrana ho ao anaty fiara tamin’ny fampiasana hery tafahoatra ka notanana am-ponja. Noho ny fanerena ara-tsosialy eo an-toerana sy manerana ny firenena, dia navotsotra izy ireo ora vitsivitsy taty aoriana saingy tsy noafahana madiodio tamin'ny famotorana ady heloka famaizana. Manoloana izany sy noho ireo zava-nitranga hafa, nanameloka ity fanalam-baraka, fanorisorenana, ary fametrahana ho jiolahy ny fiarovana rano teo amin’ny sehatra nasionaly ity ny fiaraha-monina ao an-toerana .



Mbola hadihadiana ady heloka famaizana hatrany ireto mpiaro ny rano ireto roa volana taorian’ny nisamborana azy ireo. Izany no antony itakian'ny fiarahamonina ny famotsorana azy ireo tsy misy fepetra, nampaharitra ity olana ity amin'ny fampiasana ny farangoteny #AguasConLaLeyDeAgua. Tsy io ihany no tranga nisy famelezana ireo mpiaro ny tany, izay nanintona ny sain'ny Biraon'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona ao Meksika sy ny Tambajotran'ny Zon'Olombelona Iraisampirenena, tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Miantso ny firaisankina iraisampirenena ireo mpikatroka mba hanery ny hanakatonana ny raharahan-keloka bevava sy hampahafantatra ny herisetra ataon'ny fanjakana amin'ireo mpiaro ny rano, satria io no loharanon'ny aina eto an-tany. Tena iankinan'ny aina io fiarovana io amin'ny fotoan'ny hamehana ara-toetr'andro.

📣In #Querétaro water defenders are still being harassed, persecuted and criminalized by the authorities. Listen to the Global Press Conference 🌎🎙️ on what has happened during 3 months of fighting for water on @RIDH_INHR‘s FB @RidhEuropehttps://t.co/VpUulThr2O @EndWaterPoverty

— BajoTierra Museo del Agua (@BajoTierraMu) August 17, 2022

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/10/25/160012/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/