(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
 . . . . . . . . . .
Feno alika nilaozan'ny tompony ny tendrombohitra Makedoniana ka mampidi-doza ireo lynx efa ahiana ho lany taranaka [1]
['Metamorphosis Foundation']
Date: 2022-10-21
Tati-baovaon'ny Meta.mk no niavian'ity tantara ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.
Feno alika nilaozana ny tendrombohitra any Makedonia Avaratra izay mampidi-doza tsy ny olona ihany fa ireo biby mpirenireny ihany koa. Iray amin'ireo sakadia ahiana mafy ho lany tamingana eto an-tany, izay miantso an'io lafintany io ho fonenany, ny lynx balkan, ka miatrika fandrahonana vaovao ateraky ny fitomboan'ny alika mirenireny. Hohanin'ny andian’ alika noana ny rembin'ny lynx sy ny rembin'ireo biby mpirenireny hafa mpihina-nofo, ary noho ny fitovitoviana zenetika dia miara-mihinana amin'ny amboadia sy mitsonika ao amin'ny fototarazon'amboadia koa izy ireny.
Na dia heverina ho mpiremby aza izy ireo, dia lasibatra ihany koa ny alika amin'ireto tranga ireto — nilaozan'ny tompony izy ireo, ka tsy namela azy ireo safidy ankoatra ny mihaza mba hiavotan-tena ka lasa mahery setra. Tompon’antoka amin’ity raharaha ity ihany koa ny fanjakana satria nanampy trotraka ny toe-draharaha amin'ny lesoka tsy mety vahan'ny andrim-panjakana sy ny tsy fisian'ny politikan’ny biby mpirenireny ao amin’ny kaominina.
Ny fanadihadiana eny an-kianja tamin'ny fampiasana saripika-fandrika nataon'ny Macedonian Ecological Society (MES) no nahitana ireo alika mitsofoka lalina ao anatiala. Nahitana alika ihany koa teny amin'ny lalana an-tendrombohitra toa an'i Gjavato, Bukovo, ary tao amin'ny valan-javaboarim-pirenena Mavrovo sy ny Tendrombohitra Shar. Naseho tao amin'ny Tsenan-kevitra “Alika nilaozana – fandrahonana ho an'ny bibidia”, natao tamin'ny 29 aogositra tao Skopje, ny voka-pikarohana momba ny vokatr'io trangan-javatra io amin'ny bibidia.
Araka an'i Dime Melovski, Mpandrindra ara-pandaharanasa ao amin'ny MES, dia sady mihaza ny alika no mitsindroka. Ao anaty rarintsaina tsy tapaka koa izy ireo ka mampidi-doza ny biby hafa. Nanazava izy hoe:
The problem with the abandoned dogs in the wild has escalated in the last few years. They pose a threat to the survival of the lynx, since they eat its food. Only half of the young lynxes reach sexual maturity and this situation is worse if the female lynxes with cubs, that aren’t able to hunt, are left without food. For a population of 40–50 lynx adult individuals that live on the territories of North Macedonia, Albania and Kosovo, it poses a great risk.
[END]
---
[1] Url: 
https://mg.globalvoices.org/2022/10/21/160036/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: 
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/