(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2022-10-11
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2022)
Telo andro monja mialoha ny Anadolu Fest, fetibe iray ho an'ny mozika izay tokony natao tao amin'ny faritanin'i Eskişehir ao Torkia, dia nanambara ny biraon'ny governora eo an-toerana fa ho foana ireo hetsika rehetra, tafiditra anatin'izany ireo fitorevahana, ny kaonseritra, ny fetibe ary ireo fihetsiketsehana, manomboka ny 10 ka hatramin'ny 25 may mba “hitandroana ny filaminambahoaka sy fiarovana ny daholobe, hisorohana ny helokabevava, hiarovana ny zo sy fahalalahan'ny hafa ary hisakanana ny fihanaky ny herisetra”. Na dia tsy nanondro mazava tsara ilay fetiben'ny mozika ho avy aza ny filazana, dia tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika. Ho setrin'izay, nanambara ny mpikarakara ny fetiben'ny mozika, Serdar Can, fa hanao fampakarana any amin'ny fitsarana ara-panjakana izy mikasika ilay fanambaran'ny governora, ary nampiany fa tapakila manodidina ny 10 000 no efa lafon'ilay fetibe. Niteraka tabatabam-bahoaka tao anaty tambajotra ny fanapahan-kevitra tampoka noraisin'ny biraon'ny governora eo an-toerana, miaraka amin'ny #FestivalimeDokunma [Aza kitihina ny fetibeko] nalaza fotoana fohy tao amin'ny Twitter.
After months of planning, a music festival featuring Yeni Türkü, Deniz Tekin, and others was going to begin in Eskişehir on Thursday. But a last-minute decision by the provincial governor banned all events in an attempt, it seems, to stop this festival. #FestivalimeDokunma
https://t.co/pEoqHy6dDV
— Kenan Behzat Sharpe (@kenan_sharpe) May 10, 2022
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/10/11/159949/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/