(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
“Ireo olona ireo”: fanehoan-kevitry ny minisitra Frantsay niteraka resabe momba ny fankahalana pelaka eo amin'ny governemanta [1]
['Jade Dussart']
Date: 2022-10-06
Miatrika fanoherana amin'izao fotoana izao noho ny fanehoan-kevitra sy ny fijoroana mankahala pelaka nasehoan'ireo mpikambana sasany ao aminy ny governemantan'ny filoha frantsay Emmanuel Macron (afovoany havanana, liberaly), izay voafidy ho filoha indray tamin'ny volana Aprily 2022.
Tamin'ny 13 Jolay 2022, fikambanana Frantsay enina miady amin'ny fankahalana pelaka (homofobia) no nitory ny Minisitry ny Fitsinjaram-paritra ankehitriny, Caroline Cayeux, andro vitsy monja taorian'ny nanendrena azy. Nomelohin'izy ireo ny fanehoan-kevitra nataony amin'ny naha loholona azy tamin'ny taona 2013 rehefa nilaza izy fa “rendrarendra” sy “manohitra ny natiora” ny fanambadian'ny mitovy fananahana.
Raha nanontaniana momba izany tao amin'ny fantso-pahitalavitra Public Sénat i Caroline Cayeux tamin'ny 12 Jolay 2022, dia nilaza fa “nitazona an-karihary” ny teniny taloha izy raha niezaka nanamarina ny tenany:
Je vais vous dire quand même que j’ai beaucoup d’amis parmi tous ces gens-là et franchement, c’est un mauvais procès qu’on me fait, et ça m’a beaucoup contrariée.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/10/06/159929/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/