(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Vehivavy Aostraliana iray mpitsabo mpanampy miresaka mikasika ny iraka maha-olombelona notontosainy tany ambava-ady tao Okraina [1]

['Kevin Rennie']

Date: 2022-10-04

Niverina nody tany aminy i Helen Zahos, ilay vehivavy Aostraliana mpitsabo mpanampy vonjimaika, rehefa avy niasa an-tsitrapo ho an'ny maha-olona tany ambava-ady tany Okraina.

Tsy vao voalohany ity farany ity no nanankina ny fitokisany tamin'ny Global Voices mikasika ny traikefany amin'ny maha-mpilatsaka an-tsitrapo azy, sahala amin'izay porofoin'ny lahatsoratra manaraka : Vehivavy Aostraliàna miresaka ny fanolorantenany ho an'ireo mpitsoa-ponenana any Gresy sy Eo amin'ny laharana voalohany miatrika ny COVID-19: fijoroana vavolombelon’ ny vehivavy aostraliàna iray mpitsabo mpanampy sy miasa ho an'ny maha-olona.

Nekeny tamim-pitiavana ny hizara taminay ny asany farany tao Okraina. Misy fizarana roa ity tafatafa ity. Azo tsirihana eto ny fizarana faharoa.

Kevin Rennie (KR): Voalohany indrindra, naharitra hafiriana ny fitsidihana nataonao ? Inona no azonao ambara anay mikasika ireo toerana efa notsidihanao tao Okraina ?



Renay ny zera baomba nandritra ny alina rehefa maharay fampitandremana ary tsapanay toy ny hoe manakaiky oram-baratra mahery vaika izany no fahatsapanay azy. Taorian'ny daroka iray dia nahita rahona ngezabe izahay nipoitra avy amin'ny toerana nitontonan'ilay balafomanga. Indray alina, tobin-tsolika iray no lasibatra, nankarenin-tsofina ny feon'ilay fipoahana ary nahatsapa horohorontany malefaka izahay.

Helen Zahos (HZ) : dimy herinandro no faharetan'ny fijanonako, ka ny efatra tamin'ireo tao Okraina ary ny iray tao Moldavia. Tsy azoko lazaina anareo ny toerana tena izy noho ny antony fiarovana. Fito kilometatra miala ny sisintany misy ny ady no nisy anay ary 20 na 30 km miala teo ny faritra nisy ny daroka baomba mahery vaika.

KR: Inona no tena sarotra indrindra taminao amin'ny maha-mpitsabo mpanampy anao miasa amin'ny tany miady ?

HZ : Tamin'ny voalohany, tena nandratra fo ny zavatra rehetra. Heveriko fa taorian'ny fahitako ireo hopitaly sy olona maratra marobe noho ny daroka baomba sy ny tifitra, dia sarotra ho ahy ny tsy hanome fitsaboana, te-hikarakara sy hankahery ireny olona ireny aho. Ny tahotra ny haha-lasibatra an'ireo vahiny sy ny sakana ara-pitenenana no nanosika ireo manampahefana hanakana anay tsy hanome famonjena eny akaikin'ny tanin'ady. Nilaza ny lehiben'ny tafika fa tena hanelingelina sy hampidi-doza sy tsy ilaina ny fisianay any.

KR: Eo amin'ny inona no maha-samihafa ity iraka an-tany miady ity amin'ireo teo aloha, tahaka izay efa nataonao tany Iraka ?

Tany Iraka, izaho irery no nandray fiarakaretsaka manomboka eo amin'ny seranam-piaramanidina hatrany amin'ny toby. Tao Okraina kosa, niandry ilay mpitsabo sy mpandrindra tao Moldavia aho mba hiray fiara hatreny amin'ny sisintany sy hihaona amin'ireo solontenan'ny Governemanta Okraniana. Tao amin'ireo firenena roa ireo, niezaka ny hiaina ny fiainany araka izay tokony ho izy ny olona, saingy ao Okraina kosa dia foana avokoa ireo talantalana any amin'ny toeram-pivarotana ary matetika maneno ny kiririoka fanairana rehefa hisy fanafihana an'habakabaka. Tsy niainako ny toy izany tany Iraka.

KR: Inona no fihaonana na iraka miafina tena nanamarika anao indrindra ?



HZ: Nisy fotoana naha-irery ahy teo an-toerana nandritra ny tapa-bolana. Nanolo-tena hiandry ny fahatongavan'ireo kaontenera aho ary voan'ny aretin-tratra tamin'izay. Nihaona tamin'ny mpitaritafika teny ambava-ady aho ka saika sahala amin'ny navoaka avy tany anaty sarimihetsika ny toedraharaha nisy. Nandray toromarika izaho sy ilay mpandika teny, tsy nitsahatra niova ny toerana fihaonana ary farany dia tamina toerana miafina no nivorianay izay nisy alika alemà goavana iray sy ny komandà ary ireo miaramila mitam-basy. Tadidiko aho nieritreritra fa manomboka eto dia mety hiseho daholo ny zava-drehetra ary tsy misy mahalala mihitsy izay misy anay. Nandramako ny nitahiry teo amin'ny Google Maps ny toerana misy anay ho alefako amin'ny mpisolovavako, izay tokony handefa olona hitady ahy raha toa ka tsy mifandray aminy aho ao anatin'ny 24 ora, mba farafaharatsiny fantany na dia kely aza hoe aiza ho aiza no misy ahy. Olona roa ambinifolo ao amin'ny vondrom-pirahamonina no voasoratra teo amin'ny lisitr'ireo olona tokony hifandraisana raha toa aho ka voasambotry ny mpikomy, natao takalon'aina, maty na maratra mafy. Ny endrika tsy azo vinaniana nananan'ilay iraka dia nanjary nahatonga ny fomba fiasa ho tena hafa noho ny hafa, ambony be ny tandindon-doza ary nomanina tsara isaky ny dingana mba hisorohana ireo loza tsy misy dikany.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/10/04/160097/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/