(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto? [1]
[]
Date: 2022-09-26
Imbetsaka nakatona ny aterineto tao Sodana nanomboka tamin'ny taona 2018 taorian'ny revolisiona. Nanjary mahazatra ihany koa ny fanakatonana ny media sosialy hatramin'ny nanakanan'ny governemanta ny YouTube nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2010 taorian'ny fandefasana lahatsary iray mampiseho hoso-pifidianana tao amin'ny media sosialy. Nosakanan'ny manampahefana Sodaney ny fidirana amin'ny sehatra media sosialy maro toy ny Facebook, Twitter, WhatsApp, ary Instagram mba hanakanana ny olona hizara vaovao momba ny hetsi-panoherana izay niafara tamin'ny fanonganana ny filoha teo aloha, Omer Al Bashir tamin'ny taona 2019. Tsy nilaza ny antony nahatonga ity fanakatonana ny media sosialy ity ny manampahefana.
Ahitana fanakatonana fidirana aterineto am-pinday matetika ny ankamaroan'ny fanakatonana ny aterineto ao Sodàna. Afaka miditra amin'ny aterineto amin'ny alàlan'ny fifandraisana aterineto an-tariby ny olona mandritra ny fanakatonana, izay ankavitsiana izany ankoatra ny any amin'ny orinasa ‘vaventy). Na dia efa naverina tamin'ny laoniny aza ny aterineto tamin'ny volana Jolay sy Novambra 2021, dia mbola tsy azo nidirana ireo sehatra media sosialy ka voatery nampiasa VPN ny olona mba hidirana amin'izy ireo.
Matetika tsy mahazo fampitandremana momba ny fanakatonana ho avy ny olom-pirenena. Mandeha ny data findain'izy ireo iray minitra, ary maty indray iray minitra manaraka. Indroa ihany ny governemanta no nanambara ny fikasany hanakatona ny aterineto tao anatin'ny roa taona nisehoan ‘izany, ireo fotoana indroa ireo dia nandritra ny fanadinan'ny sekoly ambaratonga faharoa. Nandefa SMS tamin'ny mpanjifa ny mpanome tolotra fifandraisandavitra, nilaza hoe:
“Under the direction of the judicial authorities, the internet will be cut daily during the Sudanese certificate exam sessions from 8 am until the end of the session at 11 am.”
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/09/26/159036/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/