(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Natao diabe tao afovoan-tanàndehiben'i Bangkok ny sarin'ireo mpikatroka nanjavona [1]

[]

Date: 2022-09-16

Ny Prachatai, tranonkalam-baovao mahaleo tena ao Thailandy, no namoaka ity lahatsoratra ity voalohany ary navoakan'ny Global Voices eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ho fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an'ireo Nanjavona tamin'ny 30 Aogositra, olona am-polony mpikambana ao amin'ny vondrona mpianatra mpikatroka Mok Luang Rim Nam no nivory tao amin'ny fihaonan-dalana Ratchaprasong ao afovoan-tanànan'i Bangkok. Nisy ny parady kely nataon'ireo mpikatroka tao amin'ny Kianjan'i Siam mba hanairana ny saina momba ny fanjavonana an-keriny. Nitondra ny sarin'ireo mpikatroka nalaina an-keriny, izay hita faty ny sasany tamin'izy ireo taty aoriana, ny mpanao diabe.

Nolanjain’ny vondrona ny sarin'i Porlajee Rakchongcharoen, Surachai Danwattananusorn, Wanchalearm Satsaksit, ary Siam Theerawut — Thailandey niharan’ny fanjavonana an-terisetra. Nanantona ny sarin'ireo niharam-boina teo amin'ny tendany, nanarona ny lohany tamin'ny harona plastika ny sasany ho fakana tahaka ny teknika fampijaliana amin’ny fanemporana.

Mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana Karen hita farany tamin'ny volana Aprily 2014 i Porlajee Rakchongcharoen raha mbola notanan’ny tompon'andraikitra tao amin'ny valan-javaboary Kaeng Krachan ao amin'ny faritanin'i Phetchaburi. Nanjavona tamin'ny volana Desambra 2018 tany amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina i Surachai Danwattananusorn, mpikatroka menavazana nandositra ny firenena taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014, ary hita tany amin'ny sisintany Thai-Laos ny fatiny taty aoriana. Nandositra ihany koa i Siam Theerawut tamin'ny taona 2014 ary nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana tamin'ny taona 2019 talohan'ny nandefasana azy tany Thailandy. Mbola tsy fantatra moa ny toerana misy azy.

Raha niresaka tamin'io fotoana io, nilaza ilay mpikatroka Tanruthai Thaenrut fa te hanaitra ny saina momba ny fanjavonana an-terisetra ny vondrona, mba hilazana amin'ny vahoaka fa tsy miraharaha ireo fanjavonana ireo ny governemanta ary mampangina ny vahoaka mba hahatonga ny fanjavonana ho toy ny mahazatra.

Nanombana ny tatitra nataon'ny Vondrona Miasa ao amin'ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2020 momba ny Fanjavonana An-terisetra na Tsy An-tsitrapo fa farafahakeliny miisa 75 ny olona niharan'ny fanjavonana an-keriny tao Thailandy. Tsy hita popoka ireo Thailandey mpialokaloka ara-politika miisa sivy monina any amin'ireo firenena manodidina hatramin'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny 2014. Roa no hita faty taorian’izay. Tsy mbola nisy fivoarana ny fanadihadiana momba ireo fito hafa nanjavona.

Tazana niambina teo amin’ny foiben’ny polisim-pirenena ny polisy manao fanamiana fony teny an-dalana ho any amin’ny kianjan’i Siam. Voalaza fa naka sary ireo mpandray anjara ny polisy manao fanamiana sivily mialoha ny nanombohan’ny hetsika.

Rehefa tonga tany amin'ny toerana halehany izy ireo dia tonga niaraka tamin'ny polisy hafa ny tompon'andraikitra ao amin'ny tobin'ny polisy Pathumwan, mba hanara-maso mangina ny zava-misy.

Nandritra ny fivoriana, nanao fampisehoana maneho ohatra ny fakàna an-keriny ireo mpikatroka. Nametraka harona mainty teo ambonin'ny lohan'i Tanruthai ny iray tamin'ireo mpandray anjara nandritra ny nandraisany fitenenana. Roa hafa avy eo no nitondra azy niala teo raha nikiakiaka ireo mpikatroka hafa nanao hoe: “Avotsory ny namanay.”

Nilaza i Mint, mpandihy nentim-paharazana Thailandey lasa mpikatroka izay nandray anjara tamin'ny diabe, fa midika ny fampisehoana fa mety iharan'ny fanjavonana an-keriny ny olona rehetra. Nomarihiny fa nalaina keriny teo afovoan'i Bangkok i Somchai Neelapaijit, mpisolovavan’ny zon'olombelona, ary nampiany fa mbola tsy fantatra ny niafaran'ny ankamaroan'ny olona nanjavona.

“Mety ho ianao ny olona manaraka. Mety ho izay rehetra, izay rehetra te hiresaka momba ny olana, izay rehetra maniry ny tena demokrasia, izay rehetra te haneho ny heviny,” hoy i Mint.

Nanamarika i Mint fa nisy polisy vehivavy naparitaka teny an-toerana teo am-panatanterahan'izy ireo ny diabe, inoana fa mba hanala azy ireo tsy ho eo amin'ny toerana nanaovana ny fihetsiketsehana.

I don't know how remembering people who disappeared is a threat to national security. Do you think we pose a threat to national security? Does anyone here have an army? Do I have a gun? No. Do I have soldiers? No. I only have you journalists, myself, and a bag. I don’t have bodyguards. I could disappear at any time.

So, we have organised this event to look back at the twisted things that have happened in this country. They call it democracy but you can be abducted or killed for just expressing your opinion.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/09/16/159696/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/