(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Mpampianatra Guarani iray mamakafaka ny fomba ijerena ny vahoaka indizeny amin'ny fampitam-baovao Boliviana [1]

['Carla Hannover']

Date: 2022-09-14

Tanora miisa 11 avy amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny sy Afro-Boliviana ao amin'ny faritr'i Gran Chaco ao Bolivia no nandray anjara tamin'ny atrikasa antsoina hoe Roipea Taperai, izay nadika tamin'ny teny Guarani hoe “Fanokafana lalana.” Natao hisaintsainana ireo teny izay ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao Boliviana ny fihaonana rehefa mitatitra momba ny fiovaovan'ny toetr'andro na momba ny vahoaka indizeny ao amin'ny faritra. Afaka vakinao bebe kokoa ato ny momba ny atrikasa. Resadresaka nifanaovana tamin’ny iray tamin’ireo mpandray anjara tamin’ity atrikasa ity no manaraka.

Mpampianatra amin'ny sekoly fanabeazana fototra ao amin'ny vondrom-piarahamonina Espaniola-Guaraní ao Charagua, ao amin'ny departemantan'i Santa Cruz, Bolivia, i Benjamín Cuéllar Fernández. Mandray anjara sy manohana ny Sekolin'ny Asa Fanaovan-gazetin’ny Indizeny izy amin'izao fotoana izao miresaka momba ny fampitan-kevitry ny mpitarika amin'ireny fivorian'ny vondrom-piarahamonina ireny.

Anatin’ny atrikasa no namakafakan’i Cuéllar Fernández ny zavon-teny izay vokatry ny fikarohana nandritra ny herintaona momba ny votoaty nanondro ny teny hoe “indizeny” tao amin'ny media Boliviana sasany. Nokianiny ny votoaty navoaka tao amin'ny haino vaky jery Boliviana ary nasainy isika handinika indray ny fanehoana (ijerena) ireo indizeny; Isoloany vava ny hametrahana torohay maneho ny soritra mari-panondroana ny vahoakany ho hita sy ny hamerenana indray ny hasarobidin’ny teny Guarani. Mampahafantatra ny fomba fijeriny izy ato amin'ity antsafa ity.

Rising Voices (RV): Nandritra ny atrikasa, nisafidy zavon-teny iray ireo mpandray anjara ary namaritra teny. Nisafidy zavon-teny vokatry ny fikarohana ny hoe “Charagua” sy ny “voina” ianao. Tao anatin'io zavon-teny io, nofantarinao ho teny tianao hosaintsainina ny voambolana hoe “indizeny”. Amin'izany heviny izany, ahoana no fahitanao ny fomba nanehoan’ny fampitam-baovao an’io teny io?

RV: Inona no teny tokony hananan'ny zavon-teny ho an'ny teny hoe indizeny?

RV: Inona koa araka ny eritreritrao no mety ho teny hafa afaka mandrafitra ny zavon-teny ho an'ny teny hoe indizeny?

BC: También [la palabra] organización, pues también es parte de su territorio, y bien sabemos que los pueblos indígenas son conservacionistas de su fauna, de su flora y del medio ambiente. Me hubiera gustado también que aparezcan [los términos] cultura, folklore, idioma y algunas palabras en lenguas originarias.

RV: Nandritra ny atrikasa, namorona zavon-teny noforonin'ny saina ny vondrona. Hazavao hoe inona no teny nasongadinao tao amin'ny zavon-teninao ary nahoana?

BC: Por ejemplo, el idioma de los pueblos indígenas. Vemos que cada vez más los idiomas originarios están en gran riesgo. Cada vez los niños hablan pocos idiomas o las personas mayores están dejando de enseñarles a sus hijos y me parece muy importante trabajar en un plan de revitalización de las lenguas originarias en cada pueblo.

RV: Inona no tsy nolazaina na tsy noresahina amin'ny fampitam-baovao any amin'ny faritra misy anao?

BC: Mayormente, podríamos decir que está claro que se habla sobre los derechos de la mujer, pero por lo visto no se están cumpliendo las normas. Por ejemplo, en las comunidades yo veo –y también me inquieta– que aún hablamos de pobreza, pero en las comunidades vemos que todavía hay elementos que hacen que eso siga siendo así como, por ejemplo, el embarazo de niñas a tempranas edades, que está penado por Ley, pero las autoridades comunales no hacen cumplir las leyes. Hay niñas que se embarazan de 13 o 14 años y quedan así [en la pobreza].



[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/09/14/159492/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/