(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Miafara amin'ny fanakatonana ny tanàna manontolo ny traikefan'i Shanghaï mikasika ny modely tetezamita fanarahamaso ny COVID-19 [1]

['Oiwan Lam']

Date: 2022-09-12

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 29 / 03 / 22)

Taorian'ny tapa-bolana nanakatonana tsimoramora tao anatin'ilay paikady fanarahamaso ny valanaretina “Fisorohana sy Fanarahamaso Hentitra”, dia niroso tamin'ny dingana fampijanonana in-droa miantoana i Shanghaï izay ahitana mponina miisa 25 tapitrisa raha toa ny rafitra ara-pahasalamam-bahoaka efa manomboka miharodana ary tsy mitsahatra mitombo ny isan'ny voatily tratry ny tranga Omicron.



Maro no mino fa ny fanapahankevitra fanakatonana goavana dia midika ho tsy fahombiazan'ny modelin'i Shanghaï, antsasa-dalana eo anelanelan'ny zero-COVID-19 sy ny tetikady fiainana miaraka amin'ny COVID-19.

Amin'ny maha-ivontoerana ara-bola azy ao Shina, nialàn'i Shanghaï ny fanibohana tanteraka ny tanàna na teo aza ny fipoiran'ny Omicron. Fa kosa, nandray tetikady iray Fisorohana sy Fanarahamaso Hentitra ny tanàna izay ahitana fitiliana sy fanakatonana faobe eny anivon'ny distrika. Ny antom-pisian'izay dia ny mba hifehezana ny halehiben'ny fihanaky ny valanaretina sy mba hanakanana ny faharavan'ny rafi-pahasalamam-bahoaka.



Na izany aza, ny 27 Martsa, nanambara ireo tomponandraikitra tao Shanghaï fa nozarainy ho distrika roa lehibe ny tanàna, ka samy hikatona mandritra ny 5 andro avokoa izy roa tonta. Mandritra ny vanim-potoanan'ny fanakatonana, hiato avokoa ireo fitanterambahoaka ary tsy maintsy hiatrika andiana fitiliana ireo mponina.

Niteraka fividianana anaty tahotra ilay filazàna tampoka. Mampiseho an'ireo olona miady sakafo any anatin'ireo trano fivarotana lehibe ny lahatsary ao amin'ireo sehatra media sosialy isankarazany. Ity ny iray navoakan'i @shaunrein teo amin'ny Twitter :

Things are falling apart in Shanghai as panic buying in supermarkets are taking place as Pudong goes into lockdown

Plenty of food but not enough delivery brothers

Until recently Shanghai authorities did an A+ job. They still are but there are ways of improvement to calm public pic.twitter.com/l7vySGJuK3

— Shaun Rein (@shaunrein) March 28, 2022

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/09/12/156676/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/