(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Vodiondry: Fomban-drazana iray andalam-piovana ao Azerbaijan [1]

[]

Date: 2022-09-11

Turkan: Fony mbola adolantsento aho dia nividianan-dreniko servieta vitsivitsy sy lamban-databatra. Indray mandeha, niteny tamin'ny reniko aho hoe aleo izaho ihany no hividy ny zavatra ilaiko. Rehefa nanambady aho, efa niasa aho ary nahazo ny volako manokana. Tsy te-hanelingelina ara-bola ireo ray aman-dreniko aho. lanonana kely no nankalazanay ny mariazinay tamin'ny taona 2021. Izaho ihany no nividy ireo kojakojan-tokantrano tamin'ny vola izay nangoniko avy amin'ny karamako. Nanome vola ho anay ihany koa ny ray amandrenin'ilay vadiko, vola izay natokan-dry zareo ho an'ny volamena. Fitaovana hafa ao an-tokantrano no novidianay fa tsy volamena. Raha ny marina, tsy nilaina ny nividy zavatra betsaka. Zavatra vitsivitsy dia afa-po izahay.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/09/11/159786/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/