(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Japoney mpanao gazety, notazonin'i Myanmar fa nandrakitra hetsipanoherana [1]

['Mong Palatino']

Date: 2022-08-30

Japoney iray mpamokatra sarimihetsika fanadihadiana no sady mpanao gazety, Kubota Toru, no voasambotra tao Yangon, Myanmar tamin'ny 30 Jolay raha teo ampandrakofana hetsika iray fanoherana ny “junta”.

Nampangain'ny fitondrana jadona miaramila ao Myanmar i Kubota ho manao fihantsiana sy manitsakitsaka ireo fepetra momba ny vizà (visa) sy ny fifindramonina. Taorian'ny nanombohan'ny fitsaràna azy tamin'ny 16 Aogositra, nilaza ireo manampahefana fa mbola eo am-pandinihana ny fametrahaa fiampangàna fanampiny ry zareo hanenjehana ilay mpanao gazety noho ny fanitsakitsahana ny lalànan'ny elektrônika ao amin'ny firenena.

Voalaza fa any amin'ilay fonjan'i Insein diso malaza be ao Myanmar i Kubota no tànana. Mbola tsy mandeha ny kaontiny Twitter hatramin'ny nialohan'ny nanagadràna azy. Hatreto, vondrona isankarazany sy olontsotra maro no mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Kubota.

Tany aloha i Kubota dia efa niaraka niasa tamin'ny Yahoo! News Japan, Vice Japan, ary Al Jazeera English, ary koa namokatra sarimihetsika fanadihadiana marobe momba ny zava-manjo ireo Rohingya, foko iray ilàna vaniny ary tsy ankatoavin'ny ao Myanmar.

Taorian'ny nakàny ny fahefana rehefa nanao fanonganam-panjakàna tamin'ny Febroary 2021, nametraka faneriterena tamin'ny fanangonana vaovao tao amin'ny firenena ny tafika tao Myanmar. Ampolony maro hatreto ireo mpanao gazety voasambotra noho ny filazana azy ireny ho manohana ireo hery mpandàla ny demaokrasia. Kubota no vahiny mpanao gazety fahadimy nosamborin'ny “junta”. Kitazumi Yuki, Japoney iray hafa mpamokatra sarimihetsika, dia notàzonina nandritra ny 25 andro talohan'ny namotsorana azy tamin'ny May 2021.

Taorian'ilay fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tao Myanmar tamin'ny 2021 sy ny herisetra naterany, nanome toky ampahibemaso ny governemanta japoney fa hanapaka ny fifandraisany amin'ilay firenena. Na izany aza, mbola misy fifandraisan lalina tavela. Manohy mampiasa vola any Myanmar ireo vondron'orinasa japoney, raha i Japàna kosa manohy manome fofanana ho an'ny tafika ao Myanmar .

Ny Fikambanana Japàna-Myanmar, manana ny biraony ao Tokyo, dia nandà tsy haneho hevitra momba ny fitazonana an'i Kubota sy ireo fanitsakitsahana zon'olombelona hafa, no sady manohy ihany mampiroborobo ny fampiasàna vola ao anatin'ilay fitondrana jadona miaramila.

Mpikambana iray ao amin'ny antenimiera Japoney, Watanabe Hiromichi, no nitsidika an'i Myanmar tamin'ny 12 Aogositra ary nihaona tamin'ireo mpikambana ao amin'ny tafika sy ny tariny mitondra ny firenena, isan'ireny i Min Aung Hlain, misahana ny toeran'ny lehiben'ny fibaikoana ny tafika sy filoha tsy voafidy hitarika ny governemanta.

Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook, nilaza i Watanabe fa velom-panantenana amin'ny mety hamotsorana tsy ho ela an'i Kubota:

Tsy mbola mazava anefa raha hitohy ireo fitakiam-bahoaka hanatsoahana ny fiampangana an'i Kubota. Taorian'ny fitsidihan'i Watanabe, nilaza ihany koa ny “junta” ao Myanmar fa eo am-pandinihana vesatra misimisy kokoa anenjehana an'i Kubota.

Nanomboka fanangonantsonia iray ety anaty tambajotra i Uchiyama Naoki, naman'i Kubota, manainga ny governemanta japoney hiantoka ny famotsorana avy hatrany an'ilay mpamokatra sarimihetsika. Nohazavainy ihany koa fa ny fanadihadiana nataon'i Kubota dia nifantoka tamin'ny ” fahatsapan'ny lehilahy Birmana iray ho manirery” ary laviny ny hoe miresaka “korontana pôlitika” ilay izy. Araka ilay fanangonantsonia nataon'i Uchiyama:

Ireo vondrona PEN International any amin'ny firenena samihafa dia nanjohy ny rantsana PEN ao Japàna tamin'ny fitakiana amin'ny governemanta ao Myanmar hanafaka an'i Kubota sy ireo hafa mpanao gazety notazonina noho ny fanatanterahan-dry zareo ny asany fotsiny. Kirino Natsuo, filohan'ny International PEN Japan Pen Club, nilaza hoe:

Nisy hetsibaoaka marobe tao Japàna ho fanohanana an'i Kubota, ary hitakiana ny famotsoran'ny fitondrana jadona miaramila ao Myanmar azy:

A group of activists hold placards of Japanese citizen Toru Kubota, who is detained in Myanmar, during a rally in front of the Ministry of Foreign Affairs in Tokyo on July 31, 2022. Philip FONG / AFP#ToruKubota#Myanmar pic.twitter.com/mqKAxlRGEd

— Mizzima News (@MizzimaNews) July 31, 2022

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/08/30/159454/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/