(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Surajo Teete, mpandika lahatsoratra, mino fa fanalahidin'ny fampiraisana ireo mpiteny Fulfulde ny aterineto [1]

[]

Date: 2022-08-18

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo andiana antsafa nifanaovanay tamin'ireo vahininay mpampiantrano ny @DigiAfricanLang, fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter, an'ny Rising Voices.

Ao anatin'ny andiany anasongadinanay ny asan'ireo mpikatroka mampiroborobo ny teny Afrikana ety anaty habaka nomerika, tianay ny hanasongadina ilay mpandika lahatsoratra Fulfulde, Surajo Teete (@SurajoTeete) azy ao Nizerià. Ho an'i Surajo, tsy maintsy entina ho ao anatin'ny tontolo nomerika ny fiteny Fulfulde, fantatra ihany koa amin'ny hoe Fula na Fulah. Na dia fiteny ampiasain'olona an-tapitrisany amin'ny fitenim-paritra samihafa manerana an'i Afrika Andrefana aza ny Fulfulde, mbola kely ny fahitàna azy ety anaty aterineto. Mba hanatrarany ny tanjony hahitàna ety anaty aterineto ny Fulfulde sy hiantohana ny fitahirizana azy, Surajo sy ny ekipany dia namorona fampitambaovao amin'ny fiteny Fulfulde ranofotsiny, antsoina hoe Sakiraaɓe Media. Ndeha hamantatra izay manosika an'i Surajo hamadika ireo fiteny ho amin'ny endrika nomerika, ary ny fomba, eo am-panaovana izany, handinganantsika ireo sakana apetraky ny toetany sy ny politika izay matetika loatra no miasa ho toy ny teritery amin'ny fifandraisan'ny samy olona.

Rising Voices (RV): Mba lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

Anatin'ny ezakay ho fampiroboroboana sy fanohanana ny Fulfulde, natombokay ny Sakiraaɓe Media, fampitambaovao iray mamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Fulfulde, na amin'ny onjampeo izany, na an-tsoratra. Nandeha io ary nahavita be tamin'ny fanohanana sy fampivoarana ny vokabolarin'ilay fiteny, sy ny fanohizana ny fampiasàna azy.

Surajo Teete (ST): Amin'ny maha-mpianatra nahazo Diplaoma Nasiônaly momba ny Fanabeazana avy ao amin'ny FCE, Kano ahy, ary nianatra manokana ny Fulfulde, sy Anglisy nifanindran-dàlana tamin'ny Fanabeazana, dia niainako ny loza mitatao lalovan'ny fiteny, isan'izany ny Fulfulde, noho ny natiora isankarazany tafian'ireo mpiteny azy io any amin'ireo firenena afrikàna.

RV: Ahoana izao no toerana misy ilay fiteninareo ety anaty aterineto sy ivelany?

ST: Raha ny isan'ireo firenena mpiteny azy no asiana resaka, tsy isalasalàna fa ny Fulfulde no ifampiresahana be indrindra ao Afrika. Fiteny iray izay ifampiresahana anatina firenena afrikàna miisa 24 mahery. Ety anaty aterineto koa, izy dia iray amin'ireo fiteny afrikàna vitsy, raha tsy izy irery mihitsy aza, nahadingana sisintany am-polony mba hametraka ny taniketsan'ireo mpiteny azy. Tamin'ny alàlan'ny fitaomana ireo olona avy amin'ny faritra samihafa ao Afrika, nitety sisintany am-polony maro, sy tamin'ny fampitambarana azy ireny ho anatin'ny fiteny iray iraisan-dry zareo, izy ihany koa dia iray amin'ireo fiteny afrikana namotika ny fanorenana nataon'ny mpanjanaka — izany rehetra izany dia noho ny aterineto.



Misy maro ireo tranonkala novokarina sy notrandrahana tamin'ny fiteny Fulah, isany ny ; pulaagu.org, andaltech.com, binndipulaar.com, boolumbal.org, pulaar.org, fulfulde.org, oolelpulaar.com, tabitalpulaaku.org, dingiralfulbe.com, naamnee.com, fulbemedia.com, koode.net ary ireo maro mpampiantrano ny hafa.

Ny Fulah dia alefan'ny Rfi, koode Radio International Abuja, Voice of Nigeria, Pulaaku FM Yola, Afrika Pulaar Radio sy maro hafa.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/08/18/159211/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/