(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Mitetika hanao ho mahazatra ny fanazarantena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan ve i Shina? [1]

['New Bloom']

Date: 2022-08-17

Taorian'ny fitsidihan'i Nancy Pelosi Filohan'ny Antenimieram-pirenena Etazonia tany Taiwan, dia nanao fanazaran-tena (sarinady) ara-tafika tsy nisy toy izany i Shina nandritra ny herinandro nanerana ny andilan-dranomasina nanomboka ny 4 ka hatramin'ny 10 aogositra 2022. Nosoratan'i Brain Hioe ary navoaka voalohany tao amin'ny New Bloom tamin'ny 8 Aogositra 2022 ny lahatsoratra manaraka etoana, izay miresaka ny ahiahy sy ny fiantraikan'ny fiezahan'i Shina hanao ho zavatra ara-dalàna ny fihetsiny ara-miaramila. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices izany noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny New Bloom.



Rehefa feno ny enina andro nanazaran-tena ara-tafika tany amorontsirak'i Taiwan, dia mbola manjavozavo raha hampitsahatra ny sarinady i Shina na mbola hanohy indray atsy ho atsy. Nanambara tamin'ny voalohany ny Tafi-Bahoakam-Panafahana (PLA) ao Shina fa hifarana amin'ny 7 aogositra ny sarinady maharitra efatra andro, saingy avy eo dia nanambara fa hitohy ny fanazarana ara-tafika ao amin'ny faritra. Fampihenjanana ny fanazarana ady ho an'ny tafika Shinoa, hita fa mihamanakaiky kokoa an'i Taiwan ry zareo mitaha tamin'ny fifandonana teo aloha, toy ny Krizin'ny Andilan-dranomasin'i Taiwan Fahatelo tamin'ny 1995–1996. Nifantoka tamin'ny tifitry ny sambo mpisitrika sy ny fanafihana an-dranomasina ny sarinady tamin'ny 8 aogositra.

Tsy namaritra ny fanambaràna hoe rahoviana na aiza no hanaovana sarinady manaraka fa nolazainy kosa fa tokony hifarana amin'ny 10 aogositra izany. Milaza 24 ora mialoha ny tafika rehefa hanao sarinady. Lazaina izany satria nanova ny fomba fanaony amin'ny sarinady i Shina, manampy toerana vaovao tamin'izay nolazainy tany am-boalohany. Ho setrin'izany, manoro hevitra ireo sambo mpanjono sy ny sambom-barotra ny Biraon'ny raharaha an-dranomasina sy ny seranan-tsambo ao Taiwan hanalavitra ireny faritra ireny tamin'ny alakamisy maraina.

Stories from PRC media claim that PLAN destroyer Nanjing was found 11.78 km away from Hoping Power Plant in Hualien. #ROCNavy denounces such disinformation. No PLAN vessel has entered our territorial waters since August 4 when the PLA drill started.

— 國防部 Ministry of National Defense, R.O.C. 🇹🇼 (@MoNDefense) August 7, 2022

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/08/17/159286/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/