(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fantaro i Wali Ntumba, mpikatroka ho an'ny fiteny Tshilubà miezaka ny hampandray anjara ny tanora amin'ny alàlan'ireo fitaovana nomerika [1]
[]
Date: 2022-08-08
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo andiana antsafa nifanaovanay tamin'ireo vahininay mpampiantrano ny @DigiAfricanLang, fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter, an'ny Rising Voices.
Tsy dia voakasika loatra amin'ny fiarovana ny fiteny Tshilubà ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô i Wali Ntumba (@nkayetu), nefa dia iray amin'ireo tena mampiasa vola be kokoa mba hanaovana izay hahamora kokoa ny fianarana ilay fiteny ho an'ireo taranaka tanora. Anatin'ny fianakaviamben'ny fiteny Bantu, ny Tshilubà dia ampiasain'olona manodidina ny enina tapitrisa manerana ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, iray amin'ireo fiteny ofisialy miisa efatra ao izy. Na izany aza, mahatsapa i Wali fa na samy miteny ilay fiteny aza ireo zokiolona, dia tsy ampy ny ezaka ataony hampianarana na hizaràna ny Tshilubà amin'ny taranaka. Amin'ny alàlan'ny famoronana fitaovam-pianarana ety anaty aterineto, manantena i Wali ny ho aingampanahy ho an'ny tanora ary hahazo ny fahatokisan-dry zareo amin'ny fahaizany ny fiteny Tshilubà. Vakio misimisy kokoa ny momba ny asan'i Wali ao anatin'ny antsafa nifanaovanay tamin'ny imailaka eto ambany.
Rising Voices (RV): Mba lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.
RV: Ahoana izao no toerana misy ilay fiteninareo ety anaty aterineto sy ivelany?
WN: Fiteny mihoatra ny 200 ary tenim-paritra an-jatony mahery no ampiasaina ao Kôngô amin'ny sehatra sy an-tanantohatra samihafa. Ary iray amin'izy ireny ny Tshilubà. Manana ny sata maha-fiteny ofisialy azy ao Kôngô ny Tshilubà, araka izany dia tsy fitenin'ny vitsy an'isa izy, na tandindonin-doza, na anjorom-bala. Ampiasaina ihany koa izy eny anaty habaka nomerika, saingy eny anivon'ireo am-pielezana dia vitsy kely ireo tanora (latsaky ny 30 taona) no miteny tsy miambakavaka ny Tshilubà, na anaty fifanakalozan-kevitra, ary tsy manana sata mitovy amin'ny Lingala ilay fiteny. Fiteny ofisialy iray hafa ao Kôngô ny Lingala. Vokatr'ireo singa marobe mandray anjara ho amin'izany, ny Lingala dia lasa fiteny ho an'ireo any am-pielezana.
Ireo fiteny kôngôley hafa toy ny Kikongo ya Leta (endrika iray hafa tafian'ny Kikongo) sy ny Kiswahili, samy teny ofisialy avokoa, dia ifampiresahana ihany koa eny anivon'ireo any am-pielezana. Toy ny Tshilubà, tsy manana sata mitovy amin'ny Lingala izy ireo eny anivon'ireo any am-pielezana.
Saingy tsy mijanona fotsiny ho an'ireo any am-pielezana io olana io. Misy marobe, ny vahoaka Bena Konji (Nkoshi), Bena Luluwà, Bena Lubìlànjì, sy ny Bakwà Luntu izay monina any amin'ireo faritra sy faritany hafa (ivelan'ny faritanin'i Kàsayì ) ao Kôngô no tsy mahay miteny ny Tshilubà sy/na ny tenim-paritr'izy ireo avy amin'ny Tshilubà.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/08/08/159171/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/