Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Mongolia: fanentanana ilaina momba ny fandotoana mba hialàna amin'ny fahasimbàna lehibe kokoa [1]
['Amedeo Bastiano']
Date: 2022-06-26 00:00:00

Amina velaran-tany mirefy 1,5 tapitrisa kilometatra tora-droa, mitàna ny laharana faha-18 i Mongolia eo amin'ny lisitr'ireo firenena goavana indrindra eran-tany. Feno ala virijiny mikitroka ny velarantaniny midadasika, rafi-piainana be tendrombohitra ary karazana ahitra maro, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe ‘steppes’ (lemaka). Amina velaran-tany misy mponina 3,3 tapitrisa, i Mongolia ihany koa dia iray amin'ireo firenena anisany vitsy mponina indrindra eran-tany ; ka mahatonga ny safidy tsara indrindra mba ho fiarovana ny fifangaroan-javaiaina.

Na izany aza, nandritra ny telopolo taona farany, niatrika raho-mitatao maro ny tontolo iainan'i Mongolia, izay tsy inona fa ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny firoboroboan'ireo foto-drafitrasa, ny fakàna vilona tafahoatra, ny fitrandrahana ireo angovo fôsily (azo avy amin-javatra lo), ny fandringanana ny ala sy ny fiovan'ny toetrandro, izay miseho amin'ny alalan'ny fitombon'ny maripànan'ny rivotra sy amin'ny fiovaovan'ny rotrak'orana tsy ara-dalàna asehon'ny sary fanehoana.

Ny fiovaovan'ny toetrandro dia mitarika fiantraikany eo amin'ireo tahirin-tsakafon'ny biby, ny taharon'ny zavamaniry sy ny fahamaroan'ny toerana firaofana. Toy izany koa, miteraka loza voajanahary tsy mitsaha-mitombo, toy ny haintany sy ny dzuds, ireny ririnina miavaka noho ny toetry ny toetrandro tena sarotra ireny, izay mitarika fahafatesan'ny biby fiompy marobe indray miaraka, ireto farany hita ho tsy mahavita miaina manoloana ny hanoanana na ny hatsiaka tafahoatra loatra.

Manampy izany toe-javatra izany koa ny loharanom-pandotoana vaovao : ireo asa andavanandron'ny mponina sy ny fomba fampiasàny ny tontolo iainana.

Ohatra, tsy mahazatra ny mahita, mandritra ny fahavaratra, an'ireo tavoahangina vodka foana ao anaty lalan-drenirano maina. Eny amin'ireo havoana, ahitàna alitara vita amin'ireo fonon-javatra plastika sy ireo kapoaka manakaiky an'ireo alitara tena izy natokana hivavahana ho an'ny Andriamanitry ny Tenger, olo-malazan'ny finoana ‘chamaniques’ Mongoliana. Any ivelan'ny tanàna, eo afovoan'ny ‘steppe’, mety hahita fako miharihary be. Kilometatra vitsivitsy monja miala ny tranon'izy ireo, atobin'ireo mponina ny fakony mandritra ny ririnina ary dorany. Eny amin'ny manodidina, mety ahitàna fatina plastika miforiporitra nandritra ny volana maro.

Araka ny voalazan'ny manampahaizana iray eo an-toerana, ny tsy fisian'ny fanentanana amin'ny fandotoan'ny Mongola ny tontolo iainana no antony voalohany mahatonga io fahalotoana io. Batsuren S., injeniera iray amin'ny tontolo iainana , 37 taona izay nahazo ny diplômany tao amin'ny iray amin'ireo anjerimanontolo tsara indrindra ao Mongolia. Nanohy ny fianarany manokana izy tao amin'ny toeram-pianarana malaza iray ao Azia Atsimo, izay iasàny ankehitriny ho toy ny mpikaroka. Nangataka izy mba ho tsiambaratelo ny tena anarany sy ny anarany fony izy tsy mbola nanambady. Manazava izy hoe :

Ao Mongolia, tsy tonga saina mihitsy ireo mponina hoe misy fiantraikany ny zavatra ataony. Raha avelany eny anaty ahi-maitso ny tavoahangy irey, mety hiafara hatrany anaty renirano iny na mety hohanin'ny ‘yak’, ka hahafaty azy. Saingy tsy nobeazina mba hisaina araka izany fomba izany ireo mponina. Miteny fotsiny ry zareo hoe “te-hisotro labiera aho”, na vodka, na rano, avy eo misotro izy dia avelany any anaty bozaka ilay tavoahangy.

Vahoaka tanora ny vahoaka Mongoliàna, midika izay fa tsy saininy ny vokany eo amin'ny lafiny sosialy ary tena tsy azony mihitsy ny maha-marefo ny natiora, hoy i Batsuren S. nanamafy tamin'ny fampifandraisany ny olana amin'ny fiovàna fomba fiainana vao haingana :

Vao ampolo taonany vitsivitsy izay, saika mpifindramonina daholo ny olona teto. Vao haingana izy ireo no nanomboka itangorona tany an-tanàndehibe ary na dia ankehitriny aza, saika manodidina ny antsasaky ny mponina no mbola manohy hatrany ny fomba fiaina amin'ny fifindrà-monina mahazatra. Taloha, tsy dia nisy voka-dratsiny loatra ny fako navelan'ireo mpifindra-monina eny rehetra eny. Tao anatin'izany ny taolam-biby, ny volony matevina, ny hazo, ary ny lamba natoraly ampiasaina amin'ny fitafiana. Herinandro vitsivitsy taty aoriana, ireo mpiaro ny tontolo iainana no niandraikitra ny famotehana azy ireny ka dia niverina tamin'ny endriny voalohany, tsy nisy fiantraikany tamin'ny tany izany.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/06/26/158349/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/