Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Lalàna vaovao mandrangotra ny fahalalaham-baovao sy fitenenana ao Mozambika [1]
['Global Voices Lusofonia']
Date: 2022-06-07 00:00:00

Nahita fitomboan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro i Mozambika tany avaratry ny firenena nanomboka tamin'ny [mg] oktobra 2017, indrindra tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado, niteraka fifandirana naharitra tao amin'ny faritra. Tsy fantatra mazava izay ao ambadiky ny [fr] herisetra, na dia misy aza ireo mampifandray azy amin'ny fihalalin'ny fahantrana na ny fitomboan'ny radikalisma ara-pivavahana ho tena anton'izany.

Araka ny tatitry ny vaovao “Cabo Ligado”, efa niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 2000 sy famindrana olona 2 tapitrisa mahery ny fanafihana tao Cabo Delgado. Satria mihamaro ny olona voakasika, dia mipoitra ihany koa ny adihevitra fahazoana vaovao nandritra fotoan'ny fifandonana. Lasa sarotra ny mahazo vaovao marim-pototra momba ny zava-mitranga eny an-kianja ary mihasarotra hatrany ny fiarovana ny mpanao gazety.

Iray amin'ireo tranga misongadina [mg] ny an'i Ibrahimo Mbaruco, mpanao gazety nanjavona tamin'ny taona 2020 raha niasa tany akaikin'ny faritra misy ady. Nanjavona i Mbaruco ny 7 aprily 2020, rehefa avy voahodidin’ny miaramila, raha nampandre ny fianakaviany. Na izany aza, roa taona taty aoriana, mangina ny manampahefana momba ny fanjavonana.

Efa niezaka ihany hifehy ny fomba fanaparitahana ny vaovaon'ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena ny governemanta. Ohatra, tamin'ny Novambra 2020, ny filoha mozambikana, Filipe Nyusi, dia nanao fanamby tamin'ny Tafika Mozambikana (FADM) mba hamerenana amin'ny laoniny ny ara-dalàna any amin'ny faritra misy ny fifandonana. Nasiany manokana ny fampiasana ny media sosialy noho izy fanapariahana fandisoam-baovao momba an'i Cabo Delgado.

Telo taona mahery taorian'ny nanombohan'ny fampihorohoroana, miomana ankehitriny i Mozambika hampiditra ny Lalàna momba ny Famongorana, Fiadiana sy Fisorohana ny Fampihorohoroana sy ny Hetsika mifandraika amin'izany, mikendry hiadiana amin'ny fiparitahan'ny vaovao hosoka momba ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena. Na dia heverina ho amin'ny fotoanany aza ireo lalàna ireo, dia misy ny ahiahin'ny ao amin'ny fampitam-baovao. Mampisalasala ny MISA-Mozambika, sampan-draharaham-paritra miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fikasan'ny governemanta ao ambadiky ny lalàna:

Apesar de um instrumento oportuno e cuja aprovação ampliará a salvaguarda da soberania nacional, esta proposta emendada da lei contempla disposições que colidem com a Constituição da República e demais legislação, especialmente no capítulo das Liberdades de Expressão e de Imprensa.

O número 1 do artigo 19 do instrumento legal refere que “aquele que por qualquer meio, divulgar informação classificada no âmbito da presente Lei, é punido com a pena de prisão de 12 a 16 anos.” Esta disposição reveste-se, em si, de injustiça, ao penalizar o jornalismo assim como os cidadãos em geral, e não a quem tem o dever de salvaguardar o “Segredo de Estado”, no caso, o servidor ou funcionário público detentor de tal informação classificada.

O número 2 do mesmo artigo refere que aquele que intencionalmente difundir informação segundo a qual um acto terrorista foi ou é susceptível de ser cometido, sabendo que a informação é falsa é punido com a pena de prisão de 8 a 12 anos. Esta disposição apresenta-se bastante subjectiva e passível de diversas interpretações quanto à noção de “falsidade” da informação veiculada sobre uma presumível acção terrorista. De facto e objectivamente, a veracidade de informações de um presumível acto terrorista é verificável.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/06/07/158090/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/