Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Inona no tena miavaka amin'ilay hira mandatsa-dranomaso ‘Pir’ izay niteraka adihevitra nasionaly tany Nepal? [1]
['Sanjib Chaudhary']
Date: 2022-05-18 00:00:00

Tsy hira mahazatra izany. Maharitra enina ambin'ny folo minitra, ny hira ‘Pir’ nosoratana sy notontosain'ilay mpihira Prakash Saput mampiseho kokoa ny manjò ireo mpiasa ambony Maoist izay nanohana sy niady nandritra ny fikomiana naharitra 10 taona tany Nepal. Tsy ny hira ihany no mahatonga anao miray hina amin'ireo mpilalao fa mampitomany anao koa izany eny amin'ny toerana (maro).

Nahatratra 10 tapitrisa ireo mpijery ny hira tamin'ny herinandro taorian'ny nampidiran'i Prakash azy tao amin'ny YouTube tamin'ny 11 martsa 2022, saingy tsy maintsy nasiam-panovana sy nampidirina indray izy taorian'ny adihevitra mamaivay. Nivoaka voalohany tao amin'ny YouTube tamin'ny 19 martsa 2022, efa nahangona mpijery manodidina ny 5,6 tapitrisa izany tamin'ny fotoana nanoratana.

Mampiseho ny fomba nanaovan'ireo mpiasa ambony Maoista sasany hahatonga azy eo amin'ny fahefana sy tonga tamin'ny governemanta ny “pir” raha tsy maintsy nanao asa ambany ary nandao ny firenena mihitsy mba hiasa ho toy ny mpiasa mpifindra monina kosa ny hafa.

Nanomboka tamin'ny taona 1996 ny fikomiana Maoista nanana tanjona hanafoana ny fanjakan'andriana sy hanorina repoblika entim-bahoaka iray any Nepal. Nahatonga fahafatesana maherin'ny 13.000 sy 1.300 tsy hita popoka teo anelanelan'ny taona 1996 sy 2006 ny ady, hoy ny Informal Sector Service Centre (INSEC), fikambanana Nepaley momba ny zon'olombelona. Nifarana ny ady raha nanasonia ny Fifanarahana Fandriampahalemana feno ireo Maoista tamin'ny 21 Novambra 2006. Tamin'ny taona 2008, voafidy ho praministra i Pushpa Kamal Dahal, “Prachanda,” “filohan'ny Antoko Komonista ao Nepal (Maoista). Lasa praiminisitra ny mpitarika Maoista iray hafa, Baburam Bhattarai tamin'ny taona 2011, ary niverina ho praiminisitra i Prachanda tamin'ny taona 2016.

Ao amin'ilay hira (amin'ny teny Nepaley), afaka mahita sy mahatsapa ny fahorian'ireo mpivady mpiady Maoista taloha ny mpijery. Nahazo vola kely tamin’ny fivarotana hena ilay rangahy ary tsy afaka nandoa hofan-trano akory. Noho izany, nandeha niasa tany ivelany ny vadiny ka namela ny zanany vavy niaraka tamin'ny rainy. Nogadraina anefa izy izy ary miantso vonjy. Nanatona minisitra iray niara-niady taminy tamin’ny ady an-trano ilay rangahy. Saingy tsy nanaiky hahafantatra azy ilay minisitra ary nanary ny fangatahany.

Raha tia ilay hira ny ankamaroan'ny mpijery Nepaley, dia niampanga an'i Saput ho nanimba ny adin'ny vahoaka kosa ireo Maoista ary nampitandrina azy ny sasany tamin'izy ireo fa hisy voka-dratsiny raha tsy nesoriny izany.

Mpisera Twitter Nepaley Prakriti Khadka nilaza hoe:

What a great choice of words, lyrics, actors, storyline.#Pir by #PrakashSaput such a conscious cinema, great art. So very courageous and admitting and telling of today’s situation and the harsh outcome of the most futile civil war that we the people of Nepal had to go through!

— Prakriti Pahari (@Prakriti_Pahari) March 14, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/05/18/157512/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/