Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Famotopotorana ny trangan-javatra Mariko Aoki : Mampangery anao ve ireo fivarotamboky ? [1]
['Nevin Thompson']
Date: 2022-05-17 00:00:00
Efa nahatsapa fahaporetana ho any amin'ny toeram-pivoahana ve ianao fony nitsidika fivarotamboky ? Raha eny, dia tsy ianao irery. Na angano an-tanàndehibe, na tena toe-batana mihitsy, nitarika adihevitra tao Japàna nandritra ny taona maro ny fangerena any amin'ny fivarotamboky. Mety efa fahita any amin'ireo kolontsaina marobe maneran-tany ny fahaterena, saingy mety menatra loatra hiresaka azy io ny olona.
Fantatra ao Japàna amin'ny anarana hoe “trangan-javatra Mariko Aoki” hatramin'ny taona 1985, ny fahaterena tampoka any anatin'ny fivarotamboky.
Araka ny voalazan'ny Wikipedia:
Samy manolotra topimaso feno iray tsy dia fahita firy avokoa mikasika ny tranga Mariko Aoki ireo lahatsoratry ny Wikipedia amin'ny teny Japoney sy amin'ny teny Anglisy. Ohatra amin'izany, araka ny voalazan'ny lahatsoratry ny Wikipedia amin'ny teny anglisy, olona iray ao anatin'ny 10 ary olona iray sy 20 no misedra io olana io. In-efatra avo heny ireo vehivavy tratran'ny trangana Mariko Aoki miohatra amin'ireo lehilahy.
Na izany aza, ao anatin'ireo dikanteny roa amin'ny lahatsoratry ny Wikipedia, ny ankamaroan'ny torohay, anisan'izany ireo vinavina mikasika izay mety ho antony, dia samy avy amin'ny lahatsoratra Hon no Zasshi #41 daholo, navoaka voalohany tamin'ny taona 1985. Toa vitsy, na tsisy mihitsy, ireo fanadihadiana ara-pahasalamana mikasika ilay tranga.
Io tsy fahampiana angon-drakitra io no nitarika ireo fisalasalana sasany, anisan'izay i Noah Oskow, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Unseen Japan, tranonkala iray natokana ho an'ny vaovao Japoney, amin'ny teny Japoney, tantara Japoney sy ireo feo zara raha re avy ao Japàna.
So Aoki Mariko wrote a piece in a magazine in 1985 describing now being in a bookstore inevitably made her want to use the bathroom, and now there’s an entire pseudo-psychological process about needing to poop named after her
— Noah Oskow 🇺🇸ノア🇯🇵 נח🔯 (@NoahOskow) April 18, 2022
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/05/17/157583/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/