Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Fombafomba mampangorohoron'i Japana nampidirina ao anatin'ny lisitry ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanan'ny UNESCO [1]
['Nevin Thompson']
Date: 2018-12-28 00:00:00
Miaraka amin'ny reggae an'i Jamaika, ny hurling irlandey ary ny tolona Zeorziana nentin-drazana, dia nanampiana ny lisitry ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana ao amin'ny Fifandaminan'ny Firenena Mikambana amin'ny lafiny Ara-Panabeazana, Siantifika ary ara-Kolontsaina (UNESCO) tamin'ny Novambra 2018 ny fombafombam-bahoaka “fitsidihan'andriamanitra” (来訪神, raihoshin) avy ao Japana.
Nampidirina tao amin'ny lisitry ny UNESCO ireo fombafomba ireo noho ireo antony isan-karazany, voalohany satria amin'ny fanatontosana ireo fombafomba ireo “ny vahoaka ao an-toerana — indrindra fa ny ankizy — no mamolavola ny mari-panondroany, mampivelatra ny fahatsapana ho ao anatin'ny vondrom-piarahamoniny,” araka ny nambaran'ny UNESCO tao amin'ny fanambaràna nataony.
Any amin'ny fiarahamonina ambanivohitra no anatanterahana ny fitsidihana maha-andriamanitra manerana an'i Japana, indrindra rehefa amin'ny faran'ny taona, na rehefa miova ny vanim-potoana, indrindra rehefa amin'ny fiafaran'ny asara (andro mafana) sy amin'ny fanombohan'ny mihintsan-dravina, ary amin'ny fiafaran'ny ririnina mahazatra — araka ny tetiandron'i Japana fahiny — ary amin'ny fanombohan'ny lohataona. Mifototra amin'ny fombam-bahoaka efa ela tao Japana tahaka ny Boddisma eny fa hatramin'ny Shintoisma aza ny fombafomba sy ireo maha-andriamanitra.
Araka ny UNESCO:
Raihoshin rituals take place annually in various regions of Japan — especially in the Tohoku, Hokuriku, Kyushu and Okinawa regions — on days that mark the beginning of the year or when the seasons change. Such rituals stem from folk beliefs that deities from the outer world — the Raihoshin — visit communities and usher in the new year or new season with happiness and good luck.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2018/12/28/131465/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/