Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Manao hetsika ‘Akanjo Manga’ ireo mpikatroka ao Myanmar mba hanehoana firaisankina amin'ireo gadra politika [1]
['Mong Palatino']
Date: 2022-04-28 00:00:00

Nanomboka nanao ny fanentanana maneran-tany “Akanjo Manga” hanehoana firaisankina amin'ireo gadra politika, indrindra ireo olona maherin'ny 10.000 nosamborina taorian’ ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana Febroary 2021 ny hery mpomba ny demokrasia ao Myanmar.

Nandrombaka ny fahefana ny miaramilan’i Myanmar taorian'ny niampangany ny antokon'ny fitondrana teo aloha ho nanao hosoka tamin'ny fifidianana. Nitondra an'i Myanmar nandritra ny am-polony taona maro ny miaramila mandra-pahazoan’ny governemanta sivily alalana hitondra ny governemanta tamin'ny taona 2012. Na dia teo aza ny fanavaozana, dia nanome antoka ny seza ao amin'ny Kabinetra sy ny Parlemanta ny miaramila. Resy tamin’ny fifidianana 2015 sy 2020 ny antoko tohanan’ny miaramila.

Notoherin’ny olom-pirenena hatrany am-boalohany naniry hamerina ny fitondrana sivily ny fanonganam-panjakana. Mba hampanginana ny mpanohitra, nampihatra famoretana tamin’ireo mpikatroka, mpanao gazety, mpanakanto, manam-pahaizana, ary ireo voampanga ho manohana ny mpanohitra ny fitondrana miaramila.

Namoaka gadra manodidina ny 1600 eo ho eo ny fitondrana miaramila tamin'ny famotsoran-keloka ho fanamarihana ny Taombaovao Birmana tamin'ny 17 Aprily, saingy tsy nisy gadra politika tamin'ireo navotsotra ireo.

Nanambara ny fanentanana tamin'ny 21 Aprily ny Fikambanana Fanampiana ho an'ny Gadra Politika ary nanasongadina ny fitomboan'ny isan'ny voafonja noho ny fanohizan'ny governemanta miaramila ny fitazonana ireo olona voampanga ho manohana ny Hetsika tsy Fankatoavana Sivily sy ny Governemantan'ny Firaisam-pirenena.

It has been over a year since the military junta attempted to illegally seize power in a coup d’état. People’s resistance, in many shapes and forms, has continued for over a year. 10,271 political prisoners, 996 of whom have been sentenced whilst 9,275 await trial, remain unlawfully detained since the Spring Revolution. The terrorist group has been arbitrarily detaining, torturing and imprisoning dissidents, so they can have power.

Herintaona mahery izay no nikasa naka ny fahefana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tamin’ny fanonganam-panjakana ny fitondrana miaramila. Nitohy nandritra ny herintaona mahery ny fanoheran’ny vahoaka, amin’ny fomba sy endriny maro. Gadra politika miisa 10.271, ny 996 amin'ireo no voaheloka raha miandry ny fitsarana ny 9.275, mbola voatazona tsy ara-dalàna nanomboka hatramin'ny Revolisiona Lohataona. Nitazona sy nampijaly ary nampigadra an’ireo mpanohitra ny vondrona mpampihorohoro, mba hahazoany fahefana.

Ny 21 aprily no nanamarihana ny faha-8 taona nahafatesan'ilay gadra politika teo aloha Win Tin, mpanao gazety malaza sady mpikambana mpanorina ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia, antokon'ny nahazo ny loka Nobel sady mpitarika Myanmar teo aloha Aung San Suu Kyi. Rehefa 19 taona an-tranomaizina, navotsotra tamin'ny taona 2008 i Win Tin, saingy mbola notohizany ny fanaovana fanamiana lobaka mangan’ny fonja ho firaisankina tamin'ireo gadra politika izay mbola tao am-ponja. Nivoady ny hanohy hitondra ny akanjo manga izy mandra-pamotsorana ireo gadra politika rehetra.

Sady fanomezam-boninahitra ny sorona nataon'i Win Tin sy ireo mpitarika mpomba ny demaokrasia hafa no antso maika atao amin'ny fianakaviambe iraisampirenena hanohy ny antso ho amin'ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpikatroka manohitra ny fanonganam-panjakana ny fanentanana “Akanjo Manga”. Namerina io antso io i Wai Hnin Pwint Thon, tompon’andraikitry ny mpisolovava ao amin'ny Burma Campaign UK.

These activists bravely stood up against the military coup, but the world seems to have forgotten about them. The international community must speak out for political prisoners in Burma and call for their immediate, unconditional release.

Mampiasa ny tenirohy #blueshirt4burma ny olon-tsotra sy ny vondrona ao anatiny sy ivelan'i Myanmar ho fanohanana ny fanentanana .

Revolutionary people across Myanmar joined #BlueShirt4Burma to show their solidarity with all political prisoners who have been unjustly detained in prison by wearing blue shirts. #BanRostec #2022Apr21Coup #WhatsHappeningInMyanmar pic.twitter.com/99MWiji9l6

Ahitana fijoroana vavolombelona nataon'ireo gadra politika teo aloha ity andiam-panehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ity

🗣️In Burma, thousands of political prisoners have been detained by the junta since the coup.

This #21April, KHRG wears blue in solidarity with all pro-democracy supporters unlawfully detained.#BlueShirt4Burma #BlueShirtDay

Read the testimonies of former political prisoners👇 pic.twitter.com/9WfCjFwl37

— Karen Human Rights Group (KHRG) (@khrg) April 21, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/04/28/157250/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/