Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Namoaka pasipaoro vaovao ahitana ireo malazan'ny tantara an-tsary ao aminy i Belzika [1]
['Metamorphosis Foundation']
Date: 2022-02-02 00:00:00

Ity tantara ity dia mifototra amin'ny fitantaram-baovao avy amin'ny Meta.mk. Navoaka eto indray ny endrika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fizarana votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metormorphosis Foundation.

Nampahafantatra ny pasipaoro Belza vaovao ny praiminisitra lefitra Belza sady minisitry ny raharaham-bahiny Sophie Wilmès tamin'ny 27 Janoary. Araka ny filazan'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny, azo antoka kokoa ny pasipaoro vaovao noho ny teknikam-piarovana vaovao sy ny fanamboarana manokana, raha mahatonga azy ho “manome voninahitra ny iray amin'ireo ravaky ny kolontsaina [Belza]: ny vehivavy maherifo sy ny lehilahy maherifo amin'ny sariitatra” ny famolavolana tany am-boalohany.

Namoaka horonantsary mampiseho ny taratasy tamin'ny alàlan'ny pasipaoro vaovao ihany koa ny ministera.

Ny tapany anoloana amin'ny pasipaoro no ahitana ny lahatahiry manokana manasongadina ireo seho avy amin'ny andian-tantaran'i Tintin “Dia mankany amin'ny volana,” ao anatin'izany ny balafomanga malaza, izay maodely natao ho famantarana ny Seranam-piaramanidin'i Bruxelles.

Ny pejy anatiny amin'ny pasipaoro dia mampiseho sary mirindra avy amin'ny tantara an-tsary belza isan-karazany, ary, miaraka amin'i Tintin sy Kapiteny Haddock, ianao afaka mahafantatra an'i Natacha mpikarakara ao amin'ny fiaramanidina, Marsupilami, Billy & Buddy (Boule et Bill), Blake & Mortimer, ny Smurfs, Lucky Luke sy ry Daltons, ary Spirou & Fantasio.

Nambaran‘ny ministera fa ny pasipaoro vaovao dia natao tanaty fiaraha-miasa miavaka tamin'ireo trano famoaham-boky sy ireo mitazona ny zo mifandraika amin'izany, izay nanaiky hampiasana ireo malaza amin'ny tantara an-tsary ho fandravahana ilay antontan-taratasy.

Amin'ny fotoana namoahana ny pasipaoro vaovao dia hisy fampirantiana vonjimaika momba ny tantaran'ny pasipaoro Belza azo idirana ao amin'ny Comic Art Museum manomboka ny 28 Janoary ka hatramin'ny 6 Marsa 2022.

Tao anatin'ny fanambarana ofisialy nataony, nanoritra ny praiminisitra lefitra sady minisitry ny raharaham-bahiny Sophie Wilmès:

“The Belgian passport is one of the best in the world, it is a source of pride for us, but also an object of desire for counterfeiters. This is why we are constantly working to improve its security. The introduction of this new passport is also an opportunity for us to highlight the 9th art, the comic strip, which is a central element of our culture and our influence abroad. I would like to thank the publishers, authors and rights holders who have agreed to participate in the project. Finally, a very important point for me: the quality and security of the passport have been reinforced, but the price charged by the Foreign Affairs will not increase. In a context of general price increases, this is a strong gesture that will be cost-beneficial for our citizens.”

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/02/02/155883/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/