Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Nahazo tsiny avy amin'ny olom-pirenena Shinoa i Hong Kong noho ny valan'aretina Omicron ao Shina [1]
['Oiwan Lam']
Date: 2022-03-19 00:00:00

Satria mihamaro ny tanàna Sinoa mametraka fepetra fihiboana araka ny politika aotra-COVID, misy ireo mpiserasera sasany manome tsiny an'i Hong Kong, miampanga ny tanàna manontolo ho nanaparitaka ny viriosy tany Shina.

Nisy fiantraikany tamin'ny tanàna roapolo mahery ny onjan'ny areti-mifindra ankehitriny, ary avy amin'ny faritany avaratra atsinanana Jilin ny ankamaroan'ny tranga. Tanàna maromaro no nihiboka, anisan'izany i Shenzhen sy Shanghai, milina roa lehibe amin'ny fitomboana ara-toekarena ao amin'ny firenena.

Nanidy distrika maro be i Shanghai, foibe ara-bola any Shina ary koa nanidy ny sekoly rehetra taorian'ny tranga fifindrana 169 tao an-toerana fantatra tamin'ny 13 martsa.

Nametraka fihiboana manerana ny tanàna nandritra ny fihodinana telo amin'ny fitiliana tsy maintsy atao eo anelanelan'ny 14-20 martsa taorian'ny tatitra momba ireo tranga 86 i Shenzhen, tanàna seranan-tsambo sy foibe teknolojia mifanila amin'i Hong Kong, izay misy mponina 17 tapitrisa.

Manerana ny sisin-tanin'i Shenzhen, miatrika ny fara tampon'ny fihanaky ny Omicron i Hong Kong, izay tranga an'aliny maro no fantatra isan'andro, saingy tsy mbola nampihatra ny fihibohana fomban'ny Shinoa tanibe na fitiliana tsy maintsy atao ny tanàna. Tamin'ny 13 martsa 2022, tranga vaovao 32.000 mahery isan'andro no fantatra ary nahatratra 10 isan-jaton'ny mponina ao an-tanàna ny fitambaran'ny tranga.

Na dia saro-pady ara-politika aza ny mitsikera ny fihibohana sy ny politika aotra-COVID hafa ao Shina, namoaka ny fahatezerany tamin'i Hong Kong ny sasany tamin'ireo mpiserasera Shinoa.

Niparitaka tao amin'ny Weibo sy WeChat ny andiana sary tora-pasika feno olona tsy misaron-tava rehefa nanambara ny fihibohana mandritra ny herinandro i Shenzhen. James Griffiths, Mpampita-vaovao Azia ao amin'ny fampahalalam-baovao Kanada, Globe and Mail, nizara tao amin'ny Twitter ny fahitany ny adihevitra Shinoa tanibe momba ny sary tora-pasika tao amin'ny Weibo:

Growing backlash against Hong Kong as more and more Chinese cities go into lockdown or start mass testing amid Covid outbreaks. pic.twitter.com/WSMtcliK6V

Avy amin'ny tati-baovaon'ny fampahalalam-baovao an-jotra HK01 an'i Hong Kong mpomba an'i Beijing momba ireo mponin'i Hong Kong sasany manararaotra ny andro mafana mitanin'andro eny amin'ny tora-pasika mihidy mandritra ny faran'ny herinandro ireo sary tora-pasika ireo. Niteraka hatezerana tao amin'ny Weibo ireo endrika falifaly tao amin'ny sary, toy ny:

Tao anatin'ny tapa-bolana lasa izay, niely tao amin'ny media sosialy Shinoa ny teorian'ny tsikombakomba milaza fa ninia nanaparitaka ny Omicron tany Shina i Hong Kong. Mifototra amin'ny tatitra ilay teoria fa nisy ireo olona sasany niampita tsy ara-dalàna avy any Hong Kong nankany amin'ny tanibe Shina tamin'ny volana febroary, nandritra ny fiandohan'ny firongatry ny Omicron tany Hong Kong.

Olom-pirenena Shinoa amin'ny tanibe ireo olona ireo izay niditra an'i Hong Kong tamin'ny alàlan'ny fantsona tsy ara-dalàna ary voatery niverina an-tsokosoko tany amin'ny tanibe Shina.

Nanapa-kevitra i Hong Kong tamin'ny voalohany fa hanao fitiliana faobe tsy maintsy atao miaraka amin'ny fepetra fanakatonana henjana amin'ny tapaky ny volana martsa. Na izany aza, miato ny drafitra ankehitriny satria tsy manana fahafahana hanao fihibohana ireo olona tratry ny aretina ny tanàna taorian'ny firongatry ny tranga tamin'ny fiandohan'ny volana martsa.

Nilaza ny Lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, Carrie Lam fa “mbola malaza” ny fitiliana manerantany tsy maintsy atao. Na izany aza, tsy miankina amin'ireo mponin'i Hongkong tsotra ny fampiharana ny drafitra, araka ny nampahatsiahivin'i Johnson Yeung ireo Shinoa mpiserasera ao amin'ny Twitter:

Some Chinese netizens are blaming #HongKong for spreading COVID and trigger a citywide lockdown and mass testing for 17M ppl.

Well, they can express the hatred but I just want to get the facts right: This happens after “Patriots administering Hong Kong”.

— Johnson Yeung 楊政賢😷 (@hkjohnsonyeung) March 13, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/03/19/156472/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/