Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Rahonan'ny masoivoho Rosiana ao Skopje horaiketina ireo tsy mitovy hevitra amin'ny fironana ofisialy an'i Kremlin, lazaina ho ‘Russophobes (mankahala Rosia)’ [1]
['Metamorphosis Foundation']
Date: 2022-03-17 00:00:00
Ity tantara ity dia navoakan’ny Meta.mk tany am-boalohany. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.
Ny masoivoho Rosiana any Skopje no hany tany amin'ny faritr'i Balkans nandika an-tsoratra sy nampita ny “fampitandremana” avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny Federasiona Rosiana (MFA) momba ny firongatry ny “Fankahalana Rosiana” izay manipika fa “voarakitra an-tsoratra amim-pitandremana ny trangan-javatra rehetra toy izany.”
Na dia nametra sy nosakanan'ny andrim-panjakana ao amin'ny Federasiona Rosiana aza ny fidirana amin'ny sehatra tambajotra sosialy Facebook sy Twitter ho an'ny olom-pireneny, dia mbola mampiasa azy roa ireo ny MFA Rosiana.
Namoaka ity fanambarana manaraka ity tamin'ny 5 martsa tamin'ny 17:55 CET ny Twitter ofisialin'ny MFA Rosiana. Ora vitsivitsy taty aoriana, tamin'ny 23:03 CET, dia nadika tamin'ny teny Makedoniana izany ary nanatsonga ny sioka avy amin'ny horirantava ofisialin'ny masoivoho Rosiana ao Skopje.
Iray andro talohan'izay, tamin'ny 4 Martsa, namoaka lalàna mandràra amin'ny sazy henjana noho ny “fanaparitahana vaovao hosoka tamin'ny fomba tsy nahy” momba ny hetsiky ny tafika Rosiana ny parlemanta Rosiana (Duma), izay ahitana sazy an-tranomaizina hatramin'ny 15 taona, araka ny tatitry ny Truthmeter.mk .
Namoaka sazy onitra isan-karazany noho ny “fanalam-baraka ny tafika mitam-piadiana ao amin'ny Federasiona Rosiana (RF)” ihany koa ny parlemanta Rosiana. Ho tompon'andraikitra amin'ny antso ampahibemaso mitaky ny fandraràna ny fampiasana ny tafika mitam-piadiana RF ny olom-pirenena.
Tafiditra ao anatin'ilay lalàna vaovao ny fepetra fanivanana manokana mikasika ireo hetsika ataon'ny tafika mitam-piadiana Rosiana amelezana an'i Okraina, mandràra ny fampiasana ny teny hoe “fananiham-bohitra” sy “ady”, manoro hevitra amin'ny fampiasana ny voambolana ofisialin'i Kremlin hoe “hetsika miaramila manokana” irery ihany.
Niteraka fanehoan-kevitra fihantsiana an-jatony avy amin'ireo olom-pirenena Makedoniana voatevateva ny lahatsoratry ny masoivoho Rosiana ao Skopje, manomboka amin'ny fanambarana tsy finoana ka hatramin'ny fiteny maloto ka hatramin'ny fanehoana fanohanana an'i Okraina voatafika, ary koa (manohana) ny vahoaka Rosiana miaritra didy jadona.
Ao anatin'ireo fanehoan-kevitra maro naneho hatezerana, naneho fanohanana ny fitondrana Kremlin ihany koa ireo sioka maro avy amin'ireo izay milaza tena ho anisan'ny antoko politika Levica, anisan'izany ny fikasana hanaratsy mpanao gazety sy mitabataba amin'ny fananganana lisitra mainty izay hitarika ho amin'ny famafana (ain'olona).
Nampitandrina ireo mpandinika Eoropeana nandritra ny taona maro fa anisan'ny andiam-pitaovam-piadiana propagandin'i Kremlin ny fiampangana ny “Fankahalana Rosiana”. Ohatra, nilaza ny fanadihadiana “Russophobia amin'ny paikadin'i Kremlin. Fitaovam-piadiana famotehana faobe” navoakan'ny foibem-pandinihana taranja tatsinanana Poloney (OSW) tamin'ny Novambra 2015 hoe:
Building up an image of Russophobic countries is currently instrumental in shaping a neo-imperial political identity among the citizens of the Russian Federation, mobilising them in the face of real or alleged threats, and also serves as a form of restoring psychological comfort to them in the face of the failure of the Kremlin’s actions (as in Ukraine, for example). The mythologised stereotype of Russophobic countries also remains a crowning argument and a simple explanation for the ongoing tensions in relations between Russia and the West.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/03/17/156389/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/