Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Fepetra ho an'ny valanaretina no nampiasaina hanaparitahana ny fitokonan'ireo vehivavy mpiasa tao Kambodza [1]
['Mong Palatino']
Date: 2022-03-06 00:00:00

Voampanga ho nampiasa fahatany ireo fepetran'ny COVDI-19 ireo manampahefana Kambôdziàna mba hamotehana ny fitokonan'ireo mpiasa ao amin'ny Naga World Casino, izay vehivavy no ankamaroany.

Ny 18 Desambra 2021, mpiasa nihoatra ny 1.300 noroahan'ny NagaWorld tao Phnom Penh no nikarakara fitokonana iray hitakiana fanonerana sy fameranana amin'ny asany ireo 365 mpikambana anaty sendika.

Isanandro no natao ny fitokonana mandra-pilazan'ireo manampahefana fa nisy iray tamin'ireo mpiasa no voatily ho nitondra otrikaretina COVID-19 ary nitanisa io tranga io ho entina manaparitaka ilay fihetsiketsehana tamin'ny 5 Febroary. Tsy ela dia notakiana ny tsy maintsy hanaovana fitiliana COVID-19 ireo rehetra mpandray anjara. Ireo voatily ho ‘negatifs’ dia nahazo baiko hihiboka an-trano, raha ireo izay voatily fa efa mitondra ny otrikaretina kosa dia nasaina nijanona tamina toerana efa voatokana hanokana-monina azy ireo.

Nampanontany tena an'ireo mpanohana ny sendika ilay baiko satria amin'ny ankapobeny ny fihibohana an-trano dia tsy fepetra natao ho an'ny vahoaka izay ‘negatif’ ny valin'ny fitiliana COVDI-19 nataony. Mino ry zareo fa tanjona amin'io ny hampiato ilay fitokonana sy hisorohana ny sendika tsy hahazo ny fanohanan'ny vahoaka.

Na ireo manampahaizana manokan'ny Firenena Mikambana aza dia miahiahy momba ireo antony navoitran'ireo manampahefana kambodziàna nentina nanaparitaka ny fitokonana:

Nefa isisihan'ireo manampahefana ao Phnom Penh ny hoe miteraka fahavoazana ho an'ny daholobe ilay fitokonana:

Tany am-piandohan'ny Febroary, tafakatra tamin'ny avo indrindra ny tarehimarika voarakitra momba ny tranga vaovaon'ny COVID-19 tao Kambôdza, izay ambaran'ireo manampahefana fa noho ny fitavozavozana tamin'ny fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamàna.

Imbetsaka nandraman'ireo mpikambana avy amin'ny sendika ny hamerina ilay fitokonana tamin'ny 23 sy 24 Febroary, saingy vetivety ny nanosehan'ny pôlisy azy ireo ho any anaty fiarabe talohan'ny nitondrana azy ireo ho any amin'ireo toerana fanokana-monina.

Yesterday, 2 #NagaWorld workers & union members groups attempted to continue their peaceful strike. The first was encircled by security guards. The second was prevented from gathering in front of Naga World II by +/- 200 police officers. They were shoved into buses & taken away. pic.twitter.com/2BMaBRwwUD

— CCHR Cambodia (@cchrcambodia) February 24, 2022

ZZZZZZZZ Omaly, andiany 2 misy mpiasa sy mpikamban'ny sendika avy ao amin'ny #NagaWorld no nanandrana hanohy ny fitokonany am-pilaminana. Voahodidin'ireo mpitandro filaminana ny voalohany, Ny faharoa indray , polisy maherin'ny 200 no nanakana azy ireo tsy hahazo hitangorona teo anoloan'ny Naga World 11. Natosika niditra tanaty fiara be ry zareo ary nentina niala teo.pic.twitter.com/2BMaBRwwUD

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/03/06/156315/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/