Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Tao Azerbaijan, ankona ny maro nahita ny horonantsary hafahafa nataon'ny depiote namaky poezia sady nihazona dinôzôro teny an-tanany [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2022-02-26 00:00:00

Niteny tamin'ireo lazaina ho namoaka fandrahonana azy ho faty tao amin'ny horonantsary niely haingana dia haingana tao amin'ny media sosialy sy ny tranonkalam-baovao tao an-toerana i Tahir Karimli, mpikambana ao amin'ny parlemantan'i Azerbaijan. Nitazona dinôzôro kilalao izy teny an-tanany izay natsipiny ara-saimbôlika izy rehefa nanomboka poezia ho an'ny mpijery azy izy. “Ianareo, izay nandrahona ahy ho faty, ny hany ho azonareo, dia ny hanaisotra olona tsotra. Fa raha tsy izaho, dia hisy ny tanora an'arivony, hitsangana sy handray ny fanjakana. Tsinontsinona ianareo.”

Hatramin'ny nivoahany, nitety media sosialy ny lahatsary ary maro no ankona tamin'ilay horonantsary, indrindra tamin'ilay dinôzôro kilalao.

Nahazo fanehoan-kevitra an-jatony rehefa nizara ilay horonantsary tao amin'ny pejiny Facebook ny seha-baovao mpananihany HamamTimes. Nanontany ny mpisera iray, “Inona akia no idiran'i Tyrannosaur Rex amin'izany rehetra izany?” Nanoratra ny mpisera iray hafa, “Ilay dinôzôro indray no hiteny amin'ny video manaraka ka.” “Banjino ilay dinôzôro, ao ny lakilen'ny tsiambaratelo. Mahatsapa ho tahaka ny ao amin'ny lalao Fort Boyard aho rehefa mitady lakile ny mpilalao,” nanoratra ny iray hafa. Mananihany ny hafa hoe manao dokambarotra “Toy Story 5″ ilay depiote.

Namoaka ny horonantsary ny sampam-baovaom-panjakana Azerbaijan Press Agency (APA) tamin'ny lohateny manao hoe: “Namaly ireo mandrahona azy amin'ny dinôzôro ny mpikambana amin'ny parlemanta Tahir Karimli.” Efa nitatitra ihany koa ny sampam-baovao fa, araka ny torohay nomen'ny minisiteran'ny atitany, dia tsy naharay fitarainana amin'ny fomba ofisialy avy amin'i Karimli momba izany fandrahonana ho faty izany ry zareo.

Manampahefana ofisialin'ny governemanta maha-be adihevitra i Karimli izay efa nanao fanamarihana nanao lasibatra ny olona LGBTQ+ sy ny feminista. Ohatra amin'izany, efa nilaza izy indray maka fa nirodana ny Ampira Romana noho ny olona LGBTQ+. Tamin'ny volana aogositra tamin'ny herintaona, voalaza ity mpikambana parlemantera ity fa niteny ho “manohana ny fanasaziana ny olona transgender sy ny fametrahana ny polisin'ny moralité ao amin'ny firenena.”

Nilaza izy fa ny sehatra media sosialy no loharano niavian'ny zava-tsy misy dikany sy ny fitondratena maloto ary notatatatainy fa kinendrin'ny feminista ny handrava ny fianakaviana Azerbaijaney.

“It's taking away our kids. Social platforms like #TikTok damage #humans‘ spiritual perfection.”

⚡ 🇦🇿 MP Tahir Karimli said while recommending a new legislation to regulate #SocialMedia in Azerbaijan. pic.twitter.com/4ZDDs7kMJg

— Mikroskop Media in English (@MikroskopEng) January 28, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/02/26/156086/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/