Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Tranomboky Kely Mahefa Be ao Grenada [1]
['Janine Mendes-Franco']
Date: 2014-12-12 00:00:00

Misy tranomboky iray ao Grenada izay miala amin'ny mahazatra. Mpanoratra iray, vondrom-piangonana ary vondron'olona ifotony manao asa sosialy antsoina hoe Groundation Grenada no nanangana azy. Tranomboky kely mampiroborobo ny kolontsaim-pirotsahana an-tsehatra izay tsy mahazatra any Karaiba sy mandrisika ny tanora tsy hiditra an-tsehatra fotsiny ihany fa ny hianatra sy ny hitia ny famakiam-boky ihany koa ny Mt. Zion

Tena mivoitra tokoa ny fifantohan'ny tetika amin'ny tanora indrindra raha jerena ny tatitry ny Fivelarana Mahaolona ao amin'ny United Nations Development Programme [fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana] tamin'ny 2009 manondro an'i Grenada ho manana ny taham-pahantrana ambony indrindra amin'ireo Firenena ao Karaiba miteny anglisy. Ny tanora no tena iharan'izany indrindra, noho ny toe-draharaha ara-toekarena manana ny fiantraikany eo amin'ny fandehanana mankany an-tsekoly sy ny resaka mety hahazoan'izy ireo asa. Amin'izao fotoana izao dia mahatratra hatramin'ny 40 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asa.

Mt. Zion, anefa, dia miezaka mametraka ny raharahan'ny tranomboky ho safidy azo iainana, ary ny tombony dia ny taranaka vaovao iray manontolo lasa mankafy famakiam-boky.

Groundation Grenada mizara ny ohatra iray amin'izany: Alesia Aird, 20 taona, mpitendry mozika sy artista izay heverina ho tsy manana ifandraisana amin'ny fitazonana tranomboky manara-penitra. Mihaino ny mozikam-pitoloman'ilay Jamaikana malaza amin'ny reggae, Peter Tosh, izy ary mitovitovy kokoa amin'i Lauryn Hill noho i Nancy Pearl. Nefa mandany ny fotoanany malalaka maro amin'ny firotsahana an-tsitrapo ao Mt. Zion izy ary lasa liana amin'ny literatiora Indiana Andrefana sy ny “science fiction” [siansan'ny famoronan-tantara].

Manazava ny Groundation :

Alesia wasn’t always a reader. In fact she recollects that reading had always felt like punishment; something that she was forced to do. She describes her experience in school as being analogous to teaching a fish how to climb a tree, as the school system failed to recognize and apply different styles and paces of learning.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2014/12/12/66208/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/