Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Nandraoka loka tao amin'ny fetiben'ny filma Sundance ny “vaky bantsilana” Navalny [1]
['Runet Echo']
Date: 2022-02-15 00:00:00

Nahazo loka roa ambony tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Sundance, izay mampiseho ny fanaovana sarimihetsika mahaleo tena tsara indrindra, tamin'ity taona ity ny fanadihadiana iray momba ny mpanao politika Rosiana mpanohitra Aleksey Navalny sy ny tohin'ny fanapoizinana sy ny fahasitranany vao haingana. Migadra an-tranomaizina maharitra any Rosia i Navalny amin'izao fotoana izao.

Nahazo ny lokan'ny mpijery fanadihadiana sy ny loka ankafizina indrindra ao amin'ny fetibe ao amin'ny Sundance ilay horonantsary fanadihadiana, mitondra ny lohateny hoe “Navalny”. Nambara nandritra ny lanonana an-jotra tamin'ny 28 Janoary ireo loka ireo.

🏆 Festival Favorite Award goes to NAVALNY, directed by Daniel Roher (@DanielRoher). #sundance pic.twitter.com/uXmS0eTyro

— SundanceFilmFestival (@sundancefest) January 28, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/02/15/156054/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/