Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Nizeriana an'arivony no nandray anjara fanangonan-tsonia hanavaozana ny IELTS [1]
['Pamela Ephraim']
Date: 2022-02-03 00:00:00

Nahangona sonia teo amin'ny 40 000 teo ho eo tao anatin'ny 14 andro monja ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon’ny Policy Shapers, sehatra mpiaro ny tanora Nizeriana, hitakiana ny fanavaozana ny Rafitra Fitsapam-pahaizana Iraisampirenena momba ny Teny Anglisy na ny International English Language Testing System (IELTS).

Fanadinana natao ho an'ireo tsy mpiteny anglisy ny IELTS. Ireo Nizeriana mikasa ny hianatra, hifindra monina na hiasa any amin’ny Fanjakana Mitambatra, Kanada ary Aostralia no takiana hanao fitsapam-pahaizana na ny mitovy aminy mba hanomezana porofo amin'ny fahaizana miteny anglisy. Hatramin'ny taona 1989 nanombohany, ny British Council, ny International Development Program (IDP) any Aostralia, ary ny Oniversiten’i Cambridge English Language Assessment no miara-nitantana ny IELTS.

Ny tsy hanaovan’ny olom-pirenena Nizeriana ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny anglisy no tanjon’ireo namorona ny fanangonan-tsonia, izay handoavana sarany eo anelanelan'ny 83.000 Naira (eo amin'ny 200$ USD) ho an'ny akademika ary 89.000 Naira (216$ USD) ho an'ny fitsapam-pahaizana ankapobeny. Lafo kokoa noho ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny frantsay, ahitana ny fanadinana DELF/DALF izay tsy handoavana sarany afa-tsy 16.000 Naira (eo amin'ny 39$ USD) monja ny IELTS izay lany daty aorian'ny roa taona.

Nanombatombana ny tatitra nataon'ny International Center for Investigative Reporting (ICIR), gazety anjotra Nizeriana, fa teo anelanelan'ny taona 2016 ka hatramin'ny taona 2021 dia vola mitentina 771,2 tapitrisa dolara (N319,2 lavitrisa) no niditra tamin’ny Governemanta Britanika tamin’ny tombom-barotra azo tao ambadik’ireo mpianatra Nizeriana sy ny mpangataka visa izay nanao ny fitsapam-pahaizana.

Laharana fahatelo aty Afrika amin'ny vondrona mahay miteny anglisy ary faha-29 maneran-tany araka ny Tondro Fahaizana Miteny Anglisy 2021 EF i Nizeria. Nilaza ny Policy Shapers fa ambony kokoa noho ny an’ireo firenena miisa 18 tsy ampanaovan'ny Minisiteran’ny Atitany Britanika fanadinana ny fahaizan'i Nizeria amin'ny fampiasana ny teny anglisy.

Amin'ny maha zanatanin’i Fanjakana Britanika teo aloha azy, ny teny anglisy no teny ifandraisana ao Nizeria ary fiteny enti-mampianatra any an-tsekoly. Na izany aza, tsy firenena esorina amin'ny fanalana io fanadinana io i Nizeria sy ireo firenena afrikana hafa, izay zanatany anglisy teo aloha ary ao anatin’ny Commonwealth.

Maro amin'ireo mpiseran’ny media sosialy no mihevitra fa ahazoana tombom-barotra be ny IELTS:

No single Anglophone African country is exempted from writing the IELTS because they know we are their cash cow.

I can argue that majority of the profit from IELTS might come from Nigeria.

It’s time to put an end to this exploitation.#ReformIELTSPolicy pic.twitter.com/FCvFs2M0kp

— Uncle Charles (@AkwariCharles) January 26, 2022

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/02/03/155841/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/