Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Tantara 10 momba ny mari-panondroana mainty sy vazimba avy ao Amerika Latina tamin'ny taona 2021 [1]
['Melissa Vida']
Date: 2022-01-04 00:00:00

Tamin'ny taona 2021 ny mpandray anjara avy any Amerika Latina ato amin'ny Global Voices nifantoka tamin'ny fitantarana sy lahatsoratra momba ny mari-panondroana vazimba sy mainty, ny fanaovan-gazety ary ny zon'olombelona. Nitatitra ihany koa momba ny fisoloantena vazimba ao amin'ny fampitam-baovao sy ny ahiahiny ho amin'ny tontolo iainana ny mpandray anjara hafa.

Manodidina ny vahoaka 50 tapitrisa avy amin'ny vondrom-poko 500 no manondro tena ho vazimba ao Amerika Latina. Araka ny UNESCO, 8 isanjaton'ny mponina ao amin'ny faritra no vazimba, na dia mety hiovaova aza ny fanombanana. Tamin'ny taona 2009, nanombana ny kongresin'i Etazonia fa ny 27,7 isanjaton'ny mponina ao Amerika Latina no taranaka Afrikana.

Voahilikilika niaraka tamin'ny vahoaka vazimba nandritra ny fotoana maharitra tao amin'ny fiarahamonina sy tao amin'ny fampitam-baovao hatry ny ela ny Afro-Latinos. Vakio ireto tantara folo avy amin'i Amerika Latina miteny espaniola ireto.

Boliviana Aymara mpanoratra Ruben Hilari no nilaza ny tantaran'i Felipe Quispe Huanca, fantatra ho “El Mallku”, sy ny lova navelany ho an'ny vahoaka vazimba ao Bolivia noho ny fahalasanany tamin'ny Janoary 2021.

Artista mainty sady Maya avy ao Honduras, Samaria Polet Carias Ayala, no nanoratra ny fomba handresena (manoloana) ny famafana ny vahoaka vazimba ao Amerika Afovoany. “Manomboka amin'ny fitiavana ny hoditsika volontany izany,” hoy ny nosoratany.

Miisa 7.000 ireo fiteny misy manerana ny tany, saingy amin'ireo dia 10 monja no mibahana ny aterineto. Izany no mahatonga ny mpikatroky ny fiteny vazimba hatrany Meksika ka hatrany Aostralia nifamory anjotra tamin'ny Jolay 2021 hiresaka amin'izay hampitomboana ny fisoloantenan'ny fitenin-dry zareo sy ny fomba fijery izao tontolo izao ato amin'ny aterineto. Ity tantara ity no mamehy ny fehinteny lehibe amin'izany dinidinika izany.

Nahazo fanasana avy amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina hankalaza ny fetim-pirenen'i Espaina ao El Salvador ilay mpanoratra Afro-Salvadaoreana Carlos Lara tamin'ny 12 Oktobra, andro izay fantatra ihany koa ho “Andron'i Colomb.” Novaliany fa “Ny fetim-pirenen'i Espaina fanesoana sy fanafintohinana ho an'ireo vahoaka indizeny sy ho an'ireo taranaka Afrikana.” Nohazavainy ny anton'izany ao amin'ity andrana ato amin'ny Global Voices ity.

Notaterin'i Muy Waso, media boliviana mpiara-miombon'antoka amin'i Global Voices ny momba an'i Germinda Casupá, vehivavy vazimba miady ho fiarovana ny tontolo iainana tandindonin-doza ao Chiquitania, ala tany mafana maina lehibe indrindra eto ambonin'ny tany.

Mpanoratra Meksikana Jacobo Nájera nitatitra ny fomba nahazoan'ny fikambanam-pifandraisandavitra tarihim-bazimba fandresena ara-pitsarana ahafahana manolotra fahazoana miresaka amin'ny finday amin'ny sarany mora ho an'ny vondrompiarahamonina an-toerana ao Oaxaca.

Nitatitra ny maha-zava-dehibe ho an'ny vahoaka Kokonuco ao Colombia hanana ny fantsom-pifandraisana ho azy ireo manokana, antsoina hoe radiom-pokonolona tsy maka tombombarotra, noho ny fanavakavahana mahazo ireo vazimba mpanangom-baovao ao amin'ny faribolan'ny fanaovan-gazety ny mpitati-baovao Kolombiana Fernanda Sánchez Jaramillo.

Mbola i Fernanda Sánchez Jaramillo ihany no nitatitra momna ny vahoaka vazimba Misak, Awá, Kokonuco, ary hafa nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana manantantara hisian'ny rariny sy fitsaboana bebe kokoa ao Colombia. Nosoritsoritan-dry zareo ny fahazaran-draharaha ao amin-dry zareo amin'ny fifaharana manoloana ny fanavakavahana sy ny tsy rariny ara-pikarakarana.

Tamin'ny fampiasana ny fomba fanadihadian'ny Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices, nokarokarohin'i Isolda Morillo ny fampiasam-bola mampiady hevitra nataon'ny orinasan'i Shina lehibe indrindra amin'ny solika ao amin'ny alan'i Amazônina ao Però. Nampiasa teti-panorona hanao izay hampidiran'ny fampiasam-bola shinoa azy ireo ao amin'ny paika fanapahan-kevitra ny fisoloam-bava sy fiarovana vazimba.

Ilay mpanoratra Salvadoreana Eddie Galdamez no niantsafa tamin'i Petrona Xemi Tapepechul, izay mikendry ny hampiray hina vondrom-piarahamonina roa samy voahilikilika: ny mpiteny Nawat avy ao El Salvador sy ireo vahoaka trans.

Mankasitraka anao namaky ny Global Voices tamin'ny taona 2021 amin'izao mbola anohizanay manasongadina ireo feo tsy ampy fisoloan-tena avy ao Amerika Latina sy manerana izao tontolo izao ireo.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2022/01/04/155490/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/