Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Nirongatra ny fihetsiketseham-panoherana fa nihintsana tsy nisy tahaka izany ny vola Lira Tiorka [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2022-01-01 00:00:00
Nipoaka nanerana ny tanàna maro tao Torkia ny takarivan'ny 23 novambra rehefa nidina ambany indrindra hatramin'izay manoloana ny vola vahiny ny omalin'io ny fihetsiketseham-panoherana. Nidina an-dalambe ny vahoaka, miantso ny governemanta hiala rehefa nampanantena ny hitazona ny zanabola ho ambany na dia [nisondrotra ambony aza ny vidim-piainana] ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan ny omalin'io. Ao amin'ny Twitter, nalaza niaraka tamin'ny #Dolar12TL ny #AKPIstifa [miala AKP].
Ity no fitsorahana lalina indrindra ho an'ny volam-pirenena tao anatin'ny 20 taona, “nitsoraka vetivety nankao amin'ny 13 isaky ny dolara hatramin'izay,” hoy ny tatitry ny Bloomberg.
Latsaka 40 isanjato amin'ny sandany tamin'ny voalohany janoary 2021 ny lanjam-bolam-pirenena, hoy ny tatitry ny AP tamin'ny 23 Novambra.
Tamin'ny fanehoany hevitra amin'ny tontolo ara-toekarena sy ny politikan'ny antoko eo amin'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, niresaka tamin'ny Bloomberg i Kerim Rota, mpitarika ny politika ara-toekarena ao amin'ny antokon'ny fanoherana Antokon'ny Hoavy hoe:/ “Tahaka ny mametraka zazakely hiandraikitra ny toby famokarana nokleary ry zareo.”
Raha niaro ny politika ara-toekarenan'ny antoko mitondra ny Filoha Erdoğan dia lazainy fa “adim-pahaleovantena ara-toekarena” izany ao amin'ny kabarim-pahitalavitra ho an'ny firenena tamin'ny 22 novambra . Nolazainy:
As a country with great knowledge and experience in financial crisis management just like in every area, we are determined to make use of the opportunities offered by the critical period the world is currently going through. We see the games those who seek to push our country out of the equation play over exchange rates, interest rates and price hikes as they used to do in the past, and we display our will to move forward with our own game plans.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2022/01/01/155067/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/