Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Faritan'ny governemantan'i Hong Kong ho “fampihorohoroana ataon'amboahaolo mandeha irery” ny fanafihana polisy [1]
['Oiwan Lam']
Date: 2021-08-14 00:00:00
1 jolay 2021, tsingerintaona fahazato nijoroan'ny Antoko Komonista Shinoa sy tsingerintaona faha-24 nanolorana indray ny fiandrianam-pirenena ho an'i Shina, niafara tamin'alahelo tamin'ny fanatsatohana antsy polisy iray tao Hong Kong. Nanatsatoka antsy polisy iray avy ao an-damosina tamin'ny folo ora alina tao Causeway Bay i Leung Kin Fai, dimampolo taona.
Nampidirina hopitaly ilay polisy naratra, 28 taona, ary efa tsy dia maninona intsony taorian'ny fandidiana azy. Etsy ankilan'izany dia nanatsatoka antsy ny tratrany ihany koa ilay nanafika ary maty tao amin'ny hopitaly.
Nofariparitan'ilay vao nasondrotra ho Sekreteran'ny Filaminana Chris Tang ho ‘asa fampihorohoroana ao an-toerana ataon'amboahaolo mandeha irery‘ ity tranga ity ary nolazainy fa norangitina tamin'ny alalan'ny kabarim-pankahalana ilay lehilahy. Misy ireo miahiahy fa mampiakatra tsikelikely ny politikam-pamoretana ao an-tanàna izao fomba filazan-javatra izao. Anisan'ireo voalohany naneho izany ahiahy izany i Edward Chan, mpianatra mandrato ny Ph.D. :
No one would want to see this to happen.
HK Police has determined this incident as “lone attacker terrorism”. But then, who was he inspired by? And also, isn’t that the NSL has made HK a safer place?
My concern is that: 1. More repression; 2. People imitate 
https://t.co/2hrfytZ5IZ
— Edward Chan 陳星宇 (@edwardsychan) July 1, 2021
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: 
https://mg.globalvoices.org/2021/08/14/153290/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/