Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka [1]
['Global Voices Lusofonia']
Date: 2021-07-19 00:00:00

Tamin'ny 1 Jolay dia namoaka fanambaràna iray ireo tomponandraikitry ny hetra ao Môzambika, nitatitra momba ny fivezivezena sy famarotana zavapisotro iray manome hery antsoina hoe “Cannabis Energy Drink“.

Voalazan'ny antontan-taratasin'ny mpitaky hetra fa mety hosintonina tsy hoe eny amin'ny tsena môzambikàna ilay zavapisotro. Na tsy miaty marijuana aza ilay zavapisotro ary tsy manana toetoetra mampanonofy, dia mampanahy ny sasany amin'ireo manampahefana ny mety ho fandrisihan'izy io ny fanjifàna ireo zavamahadomelina tsy ara-dalàna ao amin'ny firenena.

Araka ny ambaran'ny pejy Facebook-n'ilay vokatra, efa hatramin'ny 2012 raha raha kely indrindra ilay zavapisotro no namidy tao Môzambika — na atao hoe tamin'ny 2013 aza ny lahatsoratra akaiky indrindra .

Amin'ilay zavapisotro dia ahitàna ravina Cannabis sativa, izay voalaza fa manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny resaka zavamahadomelina ao amin'ny firenena. Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisotro, izay voarara ao Môzambika.

Ao anatin'ny fotoana izay iresahan'ireo firenena ao amin'ny Faritra Atsimo, izay misy an'i Môzambika, mba hanaovana izay haha-ara-dalàna ny marijuana no niditra ity fandraràna navoakan'ireo manampahefana ao Môzambika ity, toy izay nitranga tao Zimbaboe, tamin'ny 2018, ary tsy ela akory izay tao Zambia.

Tamin'ny 2018, neken'i Afrika Atsimo, izay mifanakaiky amin'i Môzambika, ny maha-ara-dalàna ny fampiasàna ny cannabis any amin'ireo toerana an'ny tena manokana. Nomen'ny fitsarana ao Afrika Atsimo alàlana ihany koa ny fambolena cannabis ary namoahany didy fa ny zo hanana fiainana manokana dia ‘mitatra ivelan'ny trano’.

Tamin'izany fotoana izany, marobe ireo Môzambikàna nihetsika nanoloana ny fanaovana ny cannabis ho ara-dalàna tao Afrika Atsimo, naneho hadrohadro sy ahiahy — indrindra fa noho i Afrika Atsimo tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika no noheverina ho ny mpanokatra be indrindra ny cannabis, nanomboka tany amin'ny fiandohan'ny 2005, araka ny fandalinana iray vaovao nataon'ny Masoivoho Iraisampirenena Mpanaramaso ny Zavamahadomelina.

Anatin'ity sahan-dresaka ity, nandefa taratasy fampahafantara ny Sampandraharaha mifehy ny varotra ho an'ireo mpiasa sy ireo mpisahana ny ara-barotra mba tsy hanafatra intsony, ary indrindra tsy hivarotra izany karazana zavapisotro izany manomboka ny 1 Jolay 2021 teo.

Tsy mazava hoe “aiza no vokarina ilay ‘Cannabis Energy Drink‘, na dia any Pays-Bas aza no tondroin'ny tranonkala ôfisialiny ho firenena mpampiantrano.

Niteraka adihevitra teny anivon'ireo mpampiasa media sôsialy ilay fifandrohitan-kevitra. Ny sasany mahatakatra ilay fanapahankevitra, fa ny hafa indray nihevitra ilay fandraràna ho tsy araka ny tokony ho izy, indrindra fa noho ilay zavapisotro tsy miaty zavatra mampanonofy. Amin'ny teny hafa, tsy misy fiantraikany amin'ny vatan'ireo mpisotro izy io satria tsy miaty tetrahydrocannabinol (THC), ilay singa tena tomponandraikitra amin'ny fiantraikan'ny cannabis ao anatin'ny vatana.

Nisy ireo nitaky mba farafaharatsiny misy fototra siantifika ny fanapahankevitr'ireo manampahefana môzambikàna, araka ny fanehoankevitry ny profesora Celestino Joanguete:

Tsy takatr'i Zenaida Machada, mpanao gazety sy mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch, ilay fanapahankevitra, ary dia anaovany fampitahàna amin'ny fitaovampiadiana izay hita eo amin'ny sainam-pirenena môzambikàna:

Mozambique banned d selling of d “Cannabis” energy drink bcoz, according to an official document, the cannabis image on d can incites people to consume d drug. Following this logic, maybe they should consider banning d country's flag as d AK47 image could incite people to kill? pic.twitter.com/5hSg3r6LMV

— Zenaida Machado (@zenaidamz) July 5, 2021

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/07/19/153455/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/