Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Lazain'ny fitsarana Taiwaney ho tsy mahatapaka tamin'ny raharaha loza an-dranomazina ry zareo, mampiakatra ny raharaha ireo niharam-boina [1]
['Guest Contributor']
Date: 2019-10-31 00:00:00

Ity lahatsoratra ity dia nosoratana tamin’ny fiaraha-miasa amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipan'ny Lingua Global Voices Shinoa.

Tamin'ny 14 Oktobra 2019, nesorin'ny Fitsaram-paritr'i Taipei ny fitoriana napetrak'ireo mpanjono Vietnamiana 8.000 tamin'ny Formosa Plastics Group ao Taiwan (FPG) noho ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016 tany Vietnam. Nilaza ny fitsarana fa tsy manana fahefana hisahana io raharaha io ry zareo, saingy nampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavan'ireo mpitory tamin'ny 24 Oktobra.

Hita fa tena loza goavana ho an'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Vietnam ny loza an-dranomasina, izay nitranga tamin'ny 6 aprily 2016. Niteraka fahafatesana trondro faobe sy fiainana an-dranomasina tao afovoan'i Vietnam ny zava-nitranga, vokatry ny fandefasana fako misy poizina any an-dranomasina’ nataon'ny Ha Tinh Steel Corporation, sampan'orinasan'ny FPG.

Nihena be ny indostrian'ny jono tany amin'ireo faritra voakasika taorian'ny loza an-dranomasina ary nanombatombana fa mety haharitra folo taona ny fanarenana tanteraka.

Niaiky fa tompon'andraikitra tamin'ilay loza ny FPG ny 30 jona 2016 ary nanaiky hanome onitra 500 tapitrisa dolara amerikana ho an'ny governemanta Vietnamiana hanaovana asa fanavotana tamin'ny loza. Na izany aza, nomen'ny governemanta Vietnamiana indrindra ho an'ireo monina ao Ha Tinh ilay onitra. Tsy mbola naharay vola mihitsy anefa ireo izay mipetraka any amin'ny faritra hafa any Vietnam afovoany, toa an'i Quang Binh, Nghe An, ary Quang Tri.

Noho ny fanampian'ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona any Taiwan sy Vietnam, afaka nisolo-tena ireo Vietnamiana mpitory 7.875 ireo ny mpisolovava ao Taiwan ary nametraka fitoriana ny FPG tany amin'ny fitsarana distrikan'i Taipei tamin'ny 11 jona 2019, mangataka vola mitentina 4 tapitrisa dolara amerikana ho fanonerana ny vondrona voalohany ahitana mpitory miisa 51.

Na dia nanaiky ny 1,2 tapitrisa dolara NT (39.234 dolara amerikana) aza ny Fitsarana Distrikan'i Taipei ho fandoavam-bola tamin'ny raharaha tamin'ny 13 jona, dia nolaviny ny raharaha efa-bolana taty aoriana noho ny antony fa tsy manana fahefana hitantana izany izy ireo.

Samy naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny fanapahan-kevitra ivelan'ny fitsarana distrikan'i Taipei tamin'ny 24 Oktobra ireo mpisolovava ho an'ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana ary nampanantena hitondra ny raharaha any amin'ny Fitsarana Avo. Tao anatin'ny fanambarana navoakan'ny Fikambanana Taiwan momba ny zon'olombelona, ​​nanamarika ny fikambanana fa tsy tokony hotantanin'ny fahefana manokana ny raharaha satria ny toriana, FPG miorina any Taiwan, no mpamatsy vola sy tompon'andraikitra lehibe ho an'ny sampan'orinasany Ha Tinh Steel Corporation ao Vietnam.

Nilaza i Hsin-Wen Huang, iray amin'ireo mpisolovava fa na dia nitranga tany Vietnam aza ny loza an-dranomasina, dia tokony handinika ny lafin'ny zon'olombelona amin'ny raharaha ny fitsarana any Taiwan:

Raha ny marina dia maherin'ny 500 ireo niharam-boina tamin'ny loza an-dranomasina izay niezaka nametraka ny raharaha tany amin'ny tribonaly Vietnamiana tamin'ny volana Oktobra 2016 saingy nolavina noho ny antony fa tsy nahavita nanome porofo momba ny fahavoazana marina nihatra taminy ireo mpitory. Rehefa nanomboka nampiseho porofo marina momba ny fahavoazana ireo niharam-boina, dia notafihin'ireo jiolahimboto notohanan'ny governemanta izy ireo, ary nosamborina sy nosaziana mafy ho manohitra ny fanjakana sy ny sisa. Nomelohin'ny ONU, tahaka ny HRC sy ny OHCHR ny fanitsakitsahan'ny fanjakana Vietnamiana ny zon'ny sivily sy ny fahalalahana, izay noraketin'ireo fikambanana tsy miankina samihafa. Noraketin'ny fampahalam-baovao tsy miankina Vietnamiana ihany koa ny loza an-dranomasina sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona teo anelanelan'ny volana aprily 2016 hatramin'ny Oktobra 2017:

…the marine life disaster involved a humane and political crisis when the Vietnamese government fails to ensure relevant compensation for the victims; they even go further by brutally suppressing voices of dissent. Widespread human rights violations have made 2016 and 2017 dark years for democracy and freedom in Vietnam, characterized by arbitrary detentions, police violence targeted at civilians, and increasing imprisonment of peaceful activists.

Since October 2016 [till October 2017], dozens of activists have been arrested and faced charges related to their activities to protest at Formosa and demand environmental rights.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2019/10/31/144384/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/