Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Takian'ny Thailandey mpanao fihetsiketsehana ny anafoanana ny lalànan'ny fanivaivana mpanjaka [1]
[]
Date: 2021-11-05 00:00:00
Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Prachatai, tranokalam-baovao mahaleotena iray ao Thailandy, ary nisy novaina sy navoaka indray ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Nisy hetsi-panoherana iray notontosain'ny vondrona Ratsadon tao amin'ny fihaonan-dalan'i Ratchaprasong ao Bangkok tamin'ny 31 Oktobra 2021, mitaky ny hanafoanana ny lalànan'ny fanivaivana ny mpanjaka sy ny hanafahana ireo tazonina ho nanitsakitsaka izany. Efa hatramin'ny taona 2020 ny Ratsadon no nikarakara hetsika pro-demaokrasia.
Nanomboka tamin'ny 3 ora filakandro ny diabe ary nifarana tamin'ny 8 ora sy sasany alina. Teny an-toerana ny solontenan'ny kiadin'ny fanarahamaso iLaw nanango-tsonia mangataka amin'ny parlemanta hanafoana ny Fizarana faha-112 amin'ny fehezan-dalàna famaizana, izay mametraka fa hosaziana izay rehetra manova/manaratsy, manompa, na mandrahona ny Mpanjaka, ny Mpanjakavavy, ny Mpandova, na ny Mpitaiza ny mpanjaka (mpitantana vonjimaika mandra-paha-ampy taona ny mpanjaka).
Tamin'ny fotoam-panokafana, Pol Col Kritsana Pattanacharoen, mpitondrateny lefitry ny Biraom-Polisin'ny Mpanjaka Thailandey, nanambara fa samy hitsakitsahan'ny hetsika na ny didim-panjakana noho ny hamehana na ny Lalàna amin'ny areti-mifindra. Nanampy izy fa mikasa hanara-maso ny lanonana ny polisy ary hanangona porofo ho vesatra amin'izay rehetra manitsaka ny lalàna.
Nifandimby ireo mpanao fihetsiketsehana naneho tsikera amin'ny lalànan'ny fanivaivana mpanjaka.
Nanamarika fitomboan'ny lonilony eo amin'ny mpikamban'ny fampitam-baovao, politisiana, fanjakam-birao ary ny vahoaka ankapobeny amin'ilay lalàna izay tsy afa-miteny amin'ny fiantraikan'ny lohahevitra mifandraika amin'ny fitondram-panjaka tokana amin'ny fiainany ry Yingcheep Atchanont, mpitondrateny iray ao amin'ny iLaw.
We believe that it would be better to have a concise law that lets people understand what can be said and what cannot, a law that leaves us confident that if what we said say is true, reasonable, and of benefit to the public and nation, we can speak freely and never be accused of wrongdoing.
We believe that it would be better if individuals who defame and damage others are tried under a just law by impartial court officers who decide cases on the basis of facts and law, irrespective of the political atmosphere,
We believe, when people are in fundamental disagreement over the country’s problems, that it is better to put everything on the table and talk. Let parties to the dispute put forward their arguments and debate the evidence. Let people everywhere listen and participate in deciding what to do.
We believe it would be better to live in a society where people are not imprisoned for simply expressing their political opinions, for demanding a better society, and for asserting that the people are the true owners of power in the country.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2021/11/05/154761/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/