Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2021-10-04 00:00:00

Tamin'ny taona 2016 ny gazety alemà Bild namoaka lahatsoratra, mitondra ny lohateny hoe “Didy jadona Erdoğan: Aiza izy ity no hifarana?” nitsikera ny tsirefesimandidy mihamitombo ataon'i Erdoğan. Nadika ho amin'ny teny Tiorka ny tantara ary voazara tany amin’ireo sehatra fampitam-baovao maro tamin'izany fotoana izany. Anisan'ireo nizara ny lahatsoratra ny lehilahy iray antsoina hoe Mehmet Şah Tekiner, 62 taona. Dimy taona taty aoriana, tamin'ny 27 septambra, nodidiana i Tekiner higadra herintaona sy telo volana amin'ny lazaina ho “maniratsira ny filoha,” araka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana tiorka. Tamin'ny fiarovana nataony i Tekiner nilaza fa tsy manan-tsiny ary tsy mbola nanangana kaonty media sosialy mihitsy izy. Nilaza anefa izy fa mety ho nisy kaonty misoratra amin'ny anarany nataon'ny zanany na ny zafikeliny.

Saingy tsy nekena ny fijoroany vavolombelona, araka ny fitateram-baovaon'ny Bianet. “heverin'ny talen'ny filaminana ‘handosirana fanasaziana’ ny fanambaràna nataony ka tsy nekena ny filazana,” hoy ny nosoratan'ny Bianet tamin'ny 27 septambra. Rehefa nolavina ny didy, nampakatra ny raharaha ny mpisolovavan'i Tekiner antsoina hoe Resul Tamur, araka ny Bianet.

Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny “100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha,” sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana, (lalàna) tsy mba nampiasaina loatra teo aloha araka ny tatitra 2018 navoakan'ny Human Rights Watch.

Araka ny Andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana, izay rehetra maniratsira ny filoha dia mety higadra hatramin'ny efa-taona an-tranomaizina. Hatramin'ny fotoana nanoratana, mpianatra, artista, mpanao gazety, mpahay lalàna, ary ny olompirenena tsotra, no efa nanazo didim-pitsarana na niatrika fitsarana. Araka ny minisiteran'ny fitsarana, Sampan-draharaha ankapobeny amin'ny fandraketana heloka bevava sy ny antontanisa, olona 36.000 no efa nanaovana famotorana amin'ny lazaina ho fanimbazimbana ny Filoha tamin'ny taona 2019, ary olona 31.000 tamin'ny taona 2020. Ho fampitahana, araka ny tobin-dahatahiry io ihany, olona efatra monja no nohadihadiana araka io andininy io tamin'ny taona 2010.

Nanazava ny manampahefana ao Torkia fa ny fitomboana isan'ny raharaham-pitoriana “fanimbazimbana ny filoha” dia mifandraika amin'ny fitomboana isan'ny fanompana tsy misy antony amelezana ny filoham-panjakana, araka ny sombin-kevitra taona 2016 avy amin'ny Vaomieran'i Venizy.

Since the constitutional reform of 2007, the President of the Republic was elected by popular vote and, as a consequence, he is much more involved in politics than his predecessors. This situation reportedly also increases the intensity and quantity of attacks against the President. Thus, according to the authorities, the primary reason for the recent increase in the number of prosecutions under Article 299 is the increase in the number of unjustified insults uttered against the Head of State.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/10/04/154341/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/