Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Donin'ilay Jamaikana mpanatontosa filma ireo indostria mpanao fitrandrahana ao Karaiba [1]
['Emma Lewis']
Date: 2021-09-29 00:00:00

Araka ny anarany, mifantoka amin'ny fiantraikany manimba isan-karazany avy amin'ny indostrian'ny fitrandrahana, indrindra ny solika milevina sy ny fitrandrahana (ambanin'ny tany) ny Global Extraction Film Festival (GEFF) 2021 – izay ahitana horonantsary fanadihadiana maherin'ny 150, sarimihetsika fohy sy “fohy maika” avy amin'ny firenena 40 mahery amin'ity taona ity.

Naorin'ilay mpanatontosa sarimihetsika Jamaikana Esther Figueroa (Vagabond Media) sy Emiel Martens (Caribbean Creativity) tamin'ny taona 2020, napetraka tanatin'ny ezaka an-tsitrapo sy ny fiaraha-miombona antoka amin'ny sarimihetsika ny fetibe tsy ilaina teti-bola. Ny programan'ny taona 2021 dia nahitana sarimihetsika izay efa azon'ny besinimaro jerena, sy ny sasany izay tsy mandrakotra lohahevitra mitovy aminy, toy ny olan'ny rano ao Puerto Rico, ny fandravan'ny Rivodoza Dorian an'i Bahamas, ny nahitana akoranafo goavambe any amin'ny morontsirak'i Guyana, ny andraikitry ny vehivavy amin'ny toekarena tsy anaty rafitra ao Haiti, tetikasa fanarenana tarihan'ny fiaraha-monina any Trinidad ary fanapoizinan'ny famonoana bibikely any Martinique. Ny sarimihetsika nataon'i Figueroa manokana dia manasongadina, ankoatra ny zavatra hafa, ny tolona mitohy hiarovana an'i Cockpit Country saropady ara-tontolo iainana ao Jamaika mba tsy ho tratran'ny fitrandrahana bauxite.

Mpanoratra sy mpanabe, mpanatontosa filma mahaleotena teraka tao Kingston i Figueroa, manana an'i “Jamaica for Sale” (2009) ho filma efa navoakany, efa nahazo loka, lahatsarim-pamakafakana nisongadina momba ny fizahantany tsy lovain-jafy, sy “Fly Me To The Moon” (2019) izay milaza ny tantaran'ny “metalin'ny maodernite” —aluminum [viraty]— amin'ny fomba mampiseho ny fifandraisantsika rehetra amin'ny Planeta Tany. Tamin'ny taona 2013 i Figueroa lasa mpanoratra miavaka ao amin'ny Fonenana ao amin'ny Departemantan'ny teny Anglisy ao amin'ny Oniversiten'i Hawaii; nahatratra ny famaranana tamin'ny Loka Nasionaly ny Fahatsarana indrindra Antilles amin'ny Famoronana Marokolontsaina ny tantara ara-tontolo iainana “Limbo” (2014) navoakany.

Nitafatafa tamin'i Esther tamin'ny alàlan'ny mailaka aho talohan'ny fetibe, izay notontosaina ny 9-12 septambra.

Emma Lewis (EL): Inona ny tanjona maika indrindra amin'ny GEFF2021?

Esther Figueroa (EF): I started Global Extraction Festival to bring attention to the social and environmental impacts of all types of extractive industries across the planet, and to celebrate and support the communities across the world who are bravely defending against annihilation, while creating livable futures. In 2020, there was a very popular narrative that the COVID-19 pandemic was saving Planet Earth and that we would come out on the other side of this ‘portal’ and do things differently and better. I created GEFF 2021 to counter this narrative, because it is simply untrue. The crisis we are living in is leading to more destruction, not less.

GEFF seeks to engender solidarity, empathy and generosity, where people in very difficult circumstances can see they are not alone, that their struggles are shared everywhere. GEFF is a resource that provides content from all over the world, helping to inform, educate and make people aware of important issues. In this way, we can all be inspired, energised and act with knowledge, rather than flee into fantasies and escapism. GEFF is part of my normal activism and attempt to support and connect people, to amplify their voices and help strengthen all efforts to stop the deranged political economy and material culture that is destroying the planet and liveable futures for generations to come.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/09/29/154139/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/