Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Sotasota nataon'ireo teratany shinoa tamin'ireo vahiny mpanao gazety nanangona vaovao momba ny tondradrano tao Zhengzhou [1]
['Hong Kong Free Press']
Date: 2021-09-27 00:00:00

Roda Kwan no nanoratra voalohany ny tatitra etsy ambany ary nivoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 26 Jolay 2021. Naverin'ny Global Voices navoaka araka ny fifanarahana hifampizàra votoaty.

Nandritra ny faran'ny herinandro, marobe ireo iraky ny gazety iraisampirenena no nosotasotain'ireo teratany shinoa teny an'arabe tao Zhengzhou teny am-panangonana vaovao taorian'ilay tondradrano goavana tao amin'io tanàna shinoa io ny 22 Jolay.

Tototry ny famoahana hafatra feno hatezerana ny sehatra media sôsialy Weibo, nanakianana an'i Robin Brant, iraky ny BBC ao Shina, noho ny tatitra iray izay nametraka fisalasalàna momba ny mampahomby na tsia ilay tetikasa nanaovana fotodrafitrasa nandaniana miliara marobe hifehezana ny tondradrano ao amin'ilay tanàna taorian'ny namoizana ain'olona am-polony mahery tao anatina fiarandalamby ambanin'ny tany nandritra ilay tondradrano.

‘Tena tsy haintsika hoe nahoana ry zareo no mbola tena marefo toy izao’, hoy i Brant tao anaty tatitra iray tamin'ny Zoma lasa teo, nampiany fa efa nampitandrina ireo governemantam-paritra hafa i Beijing mba hijery ny fahavononan-dry zareo sy ireo fepetra any amin'ny metrô.

Nivezivezy tety anaty tambajotra nandritra ilay tondradrano ny lahatsary mampiseho ireo mpandeha dobo rano hatreny amin'ny tratrany tao anatin'ireo fiarandalamby hipoka olona.

Ireo shinoa mpikirakira aterineto tao amin'ny Weibo, tsy misy hafa amin'ny Twitter ao amin'ny firenena, dia niampanga an'i Brant ho “vahiny mpanely tsaho” sy “manova tanteraka ny tena zavamisy” any anatin'ireo tatitra nataony momba ilay tondradrano.

The town visited last night north of Zhengzhou is now facing rising water levels. Rescuers were moving people last night. Reports now that the nearby river will be diverted so more need to leave today. pic.twitter.com/byTUPqlQE2

“Im-betsaka niseho tany amin'ireo faritra voadona teto an-tanànantsika ilay mpanao gazetin'ny BBC, Robin Brant, ary tena nanova tanteraka ny zavamisy. Raha hitanareo io olona io, antsoy avy hatrany ny pôlisy”, hoy ny vakin'ny lahatsoratra iray ny Sabotsy teo.

Ny ampitson'io, Alice Su, lehiben'ny birao ao Beijing ho an'ny LA Times, sy Mathias Boelinger iraky ny Deutsche Welle ao Shina no nirohotan'ireo olona feno hatezerana izay diso fihevitra nandray an'i Boelinger ho i Brant.

‘Tsy nitsahatra nanositosika ahy ry zareo no sady mikiakiaka hoe olon-doza aho ary tokony hatsahatro ny fandotoana an'i Shina. Nisy lehilahy izay [nanandrana] nisintona ny telefaoniko’, hoy ny bitsika nalefan'i Boelinger taorian'ilay tranga.

‘Tokony fijery miabo no anananao momba an'i Shina’, hoy ny lehilahy iray tamin'i Boelinger, araka ny asehon'ny lahatsary iray mivezivezy ao amin'ny Weibo.

Nametraka fanontaniana tamin'ireo mpivarotra tao an-tanàna izy roa ireo, momba ny fanamby atrehan-dry zareo ao anatin'ireo tondradrano, ary ny fanampiana “tsy maharaka” avy amin'ny governemanta mba handritana ireo fotodrafitrasa ambanin'ny tany, hoy ny bitsik'i Su.

Ireo iraka avy amin'ny Al Jazeera sy ny Associated Press koa nibitsika momba ny sotasota nataon'ny olona azy, izay naka lahatsary azy ireo ary niantso ny manampahefana.

Katrina Yu avy amin'ny Al Jazeera nibitsika fa “marika ratsin'ny hatezerana sy ny fitomboan'ny tsy fahatokisana ny media vahiny ao Shina” ireo tranga ireo.

Sad sign of increasing anger and suspicion towards foreign media in #China. When we filmed in front of the #Zhengzhou subway crowds were recording us and calling the authorities. This post on Weibo warns residents “don’t accept interviews from foreign media, don’t be used!” pic.twitter.com/3gI1eUjsIn

— Katrina Yu (@Katmyu) July 24, 2021

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/09/27/153560/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/