Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Mitantara indray ny fahoriana sy ny ratran-tsain'ny vahoaka teratany Tamang amin'ny alalan'ny voa nohasinina, taratasy vita tanana [1]
['Sanjib Chaudhary']
Date: 2021-09-24 00:00:00

Voa mangarahara amin'ny hazon'i Damocles (Oroxylum indicum), mifampiraikitra tsara no mandrafitra ny lamba lasitra iasan'i Subas Tamang, mpanakanto Nepaley. Heverina ho madio sy masina ireo voa boribory ireo, fantatra amin'ny hasiny ara-pitsaboana satria voahidy ao anaty boaty miendrika sabatra – lavitry ny fikitihan'ny bibikely. Mitopi-maso amin'ny zavatra mety ho vitan'ny voa hitombo ho lasa hazo, mitantara ny fanavakavahana sy ny fampahoriana nataon'ny Fanjakana — ireo Rana mpitondra raha lazaina manokana — tamin'ny vahoaka teratany Tamang i Subas Tamang.

“Antsoina hoe ko ko mhendo na voninkazo fo amin'ny fiteny Tamang, nitera-boa tamin'ny kolotsaina sy fombafomba Tamang ireto voa ireto,” hoy i Subas, nitafa tamin'ny Global Voices. “Manapaingotra ireo voa ireo amin'ny fanasana alefa amin'ny fotoana manetriketrika ny Tamang. Nanjary marika famantarana ny Tamang izy ireny. ”

Izany no nahatonga an'i Subas nisafidy ny voa nohasinina mba hilaza ny tantara, antsoina hoe Kaiten amin'ny fiteny Tamang. Tantara am-bavan'ny Tamang momba ny fiandohan'ny fiainana, ny kolotsaina ary ny fomban-drazana no atao hoe Kaiten, matetika lazain'ilay zokiolona mpilaza tantara, antsoina hoe Tamba. Tahaka ny ombiasy mampiasa ny voa mba hanasitranana marary, mampiasa azy ireo ho toy ny fomba hanasitranana ny ratran'ny lasa, ny ratran'ny fijaliana sy ny ratran-tsaina ny Subas.

Vakio ihany koa: Andian-javakanto manasongadina ny fanilikilihana ny teratany Tharus any Nepal

Lasa mpibata entana tsotra, mpitatitra amin'ny filanjana, mpitondra hookah sy elo ary mpiasa momba ny tao-trano ny lehilahy Tamang. Toy izany koa ny vehivavy Tamang, miasa ho mpanampy sy mpanampy mpitsabo, no sady mihira, mandihy ary mampiala voly ireo mpitondra.

Voaràra tsy hiditra amin'ny tafika Britanika ny Tamangs . Ny hany laharana ho azy ireo tao amin'ny tafika Nepal dia ny pipa, mpiasa lehilahy ao amin'ny grady ambany indrindra amin'ny tafika. Tsy mba afaka miakatra laharana velively izy ireo. Mampiseho izany amin'ny alàlan'ny sangan'asany Pipa I, mampiseho lehilahy efatra mitondra dokon, harona garaba ao an-damosiny i Subas.

Mampiseho an'i Tularam Tamang antsoina hoe Gole Kaila izay maty natao maritiora tamin'ny taona 1950 tany Biratnagar, tanàna any atsinanan'i Nepal ny hazo vita pirinty sary sokitra ao amin'ny Ko Ko mhendo antsoina hoe Gole Kaila. Na dia maty niady tamin'ny fitondrana Rana aza izy mba hametraka ny demokrasia, dia tsy mba nomena mihitsy ny satan'ny maritiora.

Fitaovana iray hafa nosafidian'i Subas ho an'ny zava-kantony ny lokta, taratasy asatanana Nepaley, taratasy mitovy ny tamin'ny nampiasain'ny havany avy amin'ny fakon'ny orinasan-taratasy Nepaley ary nentina tao amin'ny lapa ao an-drenivohitra Kathmandu ho asa fanompoana (asa an-terivozona tsy andoavam-bola ho solon'ny hetra). Nahitàna baiko sy lalàna izay nampijaly azy ireo bebe kokoa izany taratasy izany. Saingy namerina indray ny tantaran'ny fahorian'ny vondrom-piarahamoniny tamin'ny alàlan'izany taratasy izany ihany i Subas. Mampiseho lehilahy manao fitafiana nentim-paharazana, saingy ny lohan'izy ireo dia samy misarona fehezam-boninkazo Lokta, ravin-kazo vita taratasy sy amboaram-boankazo manga ny sangan'asany Kagaji Rakam, Kagaji Rakam I sy Baigani Rakam.

Nilaza i Subas amin'ny fampivelarana ny asany hoe:

“In order to pay taxes, Tamangs had to work for free for the State. The Tamangs from Bumtang of Nuwakot District had to collect lokta barks, process them into paper and carry those papers to the palace. Each household would need to produce 200 sheets of paper. Likewise, Tamangs had to work in fruit orchards and carry the fruit, especially mangoes to the palaces in Kathmandu. They had to leave Kathmandu the same day after dropping the fruit.”

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/09/24/154223/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/