Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Hofoanana ny firaisankina pro-demaokrasia ao Hong Kong lehibe indrindra, manahy fandrahonana amin’ny filaminana · Global Voices teny Malagasy [1]
['Hong Kong Free Press']
Date: 2021-09-23 00:00:00
Nosoratan'i Candice Chau ity lahatsoratra manaraka ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 20 septambra 2021. Navoaka tato amin'ny Global Voices indray izany ao anatin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty.
Milaza ny firaisankinan'ny sendika mpomba ny demaokrasia lehibe indrindra ao Hong Kong, ny Kaonfederasion'ny Sendikàn'ny Varotra ao Hong Kong (HKCTU) fa horavana izy noho ny fandrahonana ireo mpikambana ao aminy. Ity vondrona ity no fikambanana fiarahamonim-pirenena farany nikatona tao Hong Kong taorian'ny fehezan-dalàna momba ny fiarovam-pirenena (NSL) nivoaka tamin'ny taona 2020.
Naharay hafatra ireo mpikambana ao amin'ny HKCTU tato anatin'ny andro vitsivitsy, ka mahatonga azy ireo hahatsapa fa mety hiatrika fandrahonana ny fiarovana ara-batan'izy ireo izany raha mbola manohy ny asany izy ireo, hoy ny filoha Joe Wong tamin'ny alahady 19 septambra 2021, rehefa nanambara ny fanapaha-kevitra.
Nolavin'i Wong ny filazan'ireo fampahalalam-baovao mpomba an'i Beijing fa mpiasa ho an'ny vondrona vahiny [mpitsikilo] ny HKCTU, izay mety heverina fa fandikan-dalàna amin'ny NSL .
Nilaza izy fa niasa tamina tetikasa sasantsasany ny konfederasiona niaraka tamin'ny Solidarity Centre, fikambanana eo ambany Federasiona Amerikanina momba ny asa sy ny Kongresin'ny FikambananaIndostrialy, mikasika ny fampiroboroboana ny zon'ny mpiasa sy ny fifampiraharahana iraisana izay tsy misy idiran'ny hetsika ara-politika velively.
Nijanona tsy niara-niasa tamin'ny centre ny HKCTU talohan'ny volana jolay tamin'ny herintaona, rehefa nanomboka nanan-kery ny lalàna mifehy ny fiarovana.
Nolavin'i Wong ihany koa ny fanambarana iray hafa nataon'ny gazety Wen Wei Po ao Hong Kong fehezin'i Beijing fa fikambanana ara-politika miafina amin'ny anarana sendikà transnasionaly ny Fikambanan'ny Sendikàn'ny Varotra Iraisampirenena (ITUC) izay misy ny Kaonfederasiona ao Hong Kong.
Nilaza ny filoha fa ny ITUC no kaonfederasiona sendikaly lehibe indrindra manerantany. Nampiantrano vondrona mpitsidika avy amin'ny ITUC ny Federasionan'ny Sendikàn'ny Varotra Manerana an'i Shina Manontolo ankatoavin'i Beijing, ary nasaina hanatrika ny fivoriambe iraisampirenena amin'ny maha mpanatrika azy. Nosoritan'i Wong:
Workers’ movements always stressed international solidarity. The HKCTU cooperating or connecting with unions in other regions is natural and justifiable, the government never said in the past 30 years that this is in violation of any laws… The regime, through state media, has described participation in international unions as colluding with foreign forces. This is a great interference with workers’ rights to participate in unions. [Is this our highlight or thiers?]
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2021/09/23/154197/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/