Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Voamariky ny fanovana lalampanorenana sy ny tsy fitokisana ny filazana fifidianana ao Angola [1]
['Global Voices Lusofonia']
Date: 2021-09-18 00:00:00
Miomana ho amin'ny fifidianana ny filohany manaraka i Angola amin'ny volana Aogositra 2022, tao anatin'ny resabe momba ny lalàna mifehy ny fifidianana efa an-dalana. Mikasa ny hofidiana indray amin'ny taona hoavy ny mpandresy tamin'ny taona 2017, ny filoha João Lourenço ankehitriny.
Hanamarika ny fotoanan'ny tetezamita sy ny fanamafisana ny fifidianana manaraka, satria lasa filoham-pirenena i João Lourenço taorian'ny nitondran'i José Eduardo dos Santos nandritra ny 30 taona – iray amin'ireo filoham-pirenena teo amin'ny fitondrana ela indrindra.
Fantatra tamin'ny fitantanan-draharaham-pahefana didy jadona i Dos Santos, nomarihan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fameperana ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahana an-gazety. Betsaka no nahita ny trangan-keloka bevava tamin'ny taona 2016, izay nisamboran'ny mpitandro ny filaminana vondrona mpikatroka fo sy nitazonana azy ireo tamin'ny fiampangana nampanontany tena, ho tandindon'ny fitondrany amin'ny ankapobe. Nanjary fantatra tamin'ny anarana hoe “15+2″ ilay tranga, manondro ny nitazomana am- ponja vonjimaika ireo mpikatroka nosamborina miisa 15 tamin'ireo 17.
Niteraka adihevitra teo amin'ireo Angoley ny fifidianana 2022 hatao volana Aogositra. Ho an'ireo mpifidy, nisy ny tsy fitokisana ny fomba nitantanana ny dingana sy ny tsy fisian'ny marimaritra iraisana tamin'ny fanitsiana ny lalàmpanorenana vao haingana momba ny fifidianana hoavy.
Milaza ny fanitsiana ny lalàmpanorenana tamin'ny 2010 fa afaka mifidy ny vahiny amin'ny fifidianana manaraka, araka ny notaterin'ny Jornal de Negócios.
Ankoatra izay, nosokafan'ny làlana ny lalana mankany amin'ny fifidianana isa-toerana, nametrahana fe-potoana voafaritra amin'ny fifidianana ankapobeny, ary manolotra amin'ny Banky Nasionaly ao Angola ny fahaleovantena amin'ny fanaraha-mason'ny mpanohana antoko.
…esta revisão fica definida, entre outros mecanismos constitucionais, a fiscalização política do executivo pela Assembleia Nacional, e a universalização do direito de voto aos cidadãos angolanos residentes no exterior do país.
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: 
https://mg.globalvoices.org/2021/09/18/154121/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/