Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Tsy hanontaniana intsony ny maha-virjiny azy ny vehivavy Bangladeshita ampakarina hahazoana taratasy fanamarinam-panambadiana · Global Voices teny Malagasy [1]
['Samaya Anjum']
Date: 2019-09-16 00:00:00

Tamin'ny 25 Aogositra 2019, namoaka didy ho an'ny fanjakana ao amin'ny firenena ny Fitsarana Avo ao Bangladesh mba hanolo ny teny hoe kumari ‘ (virjiny) amin'ny hoe obibaito (tsy manambady) amin'ny taratasy fanamarinam-panambadiana. Nivoaka ity didim-pitsarana ity taorian'ny dimy taona lava nisian'ny ady ara-pitsarana ary noderaina ho fandresena manan-tantara ho an'ny mpikatroky ny fitovian-jo .

Any amin'ny firenena Aziatika Atsimo, tanterahin'ny mpanora-panambadiana napetraky ny fanjakana araka ny Lalàna mifehy ny Fanambadiana sy ny Fisaraham-panambadiana Miozolomana (fisoratana anarana) tamin'ny taona 1974 ny fisoratam-panambadian'ny mpivady Miozolomana amin'ny lanonana Nikah (mariazy Miozolomana). Ankoatra ny fanisiana vitsivitsy natao tamin'ity Lalàna ity dia natao nitovy tamin'ny mahazatra mandritra ny taona maro ny fomba amam-panao .

Gender equality in Bangladesh… The High court ruled Sunday that Virgin — or Kumari in Bengali – will be replaced with ” unmarried “ Other 2 options on form, ” divorced and widow will remain…..welcome judgement

Tamin'ny taona 2014, nanao fangatahana tany amin'ny fitsarana nanohitra ny andininy laharana faha 5 amin'ny taratasy fisoratana anarana voatokana ho an'ny fisoratam-panambadiana, antsoina ihany koa hoe Kabin-nama ny fikambanana miisa telo miaro ny zo sivily – Sampan-draharaha sy ny Tolotra Fanampiana Ara-pitsarana ao Bangladesh (BLAST) , Naripokkho sy ny Bangladesh Mohila Parishad. Antontan-taratasy voarakitra an-tsoratra nosoniavin'ny mpivady Miozolomana roa ny Kabin-nama araka ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Fianakaviana Miozolomana tamin'ny taona 1961, izay porofo ara-dalàna amin'ny fanambadian'izy ireo ara-panjakana ary mametraka ny zo sy ny adidin'ny mpivady. Mitaky ny vehivavy ampakarina mba hamaritra raha toa ka kumari na mananotena na nisara-panambadiana izy ny andininy faha 5 amin'ny taratasy. Tsy voatery hanao fanambarana mitovy amin'izany ilay lehilahy mpampakatra. Nilaza ny mpangataka tao amin'ny fangatahana natolotra ny Fitsarana Avo fa “manohy ny fanavakavahana eo amin'ny vehivavy sy ny lehilahy ary miteraka ny fanitsakitsahana ny andininy faha-27, 28, 31 ary 32 ao amin'ny Lalàmpanorenana” ity andalana ity.

Nanolotra ny fanoloana ny kumari amin'ny teny hoe obibahito ihany koa izy ireo taty aoriana. Manondro ny maha-mpitovo ny kumari amin'ny fiteny Bangla tranainy; na izany aza dia midika ihany koa hoe virjiny izany. Teny manokana handikana ny hoe tsy manambady ny teny hoe ‘obibahito’ mahazatra izay ampiasaina matetika. Tamin'ny 14 Septambra 2014, nanao fanadihadiana ofisialy teo anivon'ny governemanta ny lehiben'ny Mpitsara Naima Haider sy ny Mpitsara M. Jahangir Hossain mba hanontany ny antony ilazana ny fampiasana ny teny hoe kumari ho tsy manavakavaka ny vehivavy ary ny fanitsiana ny lalàna voalaza ao amin'ny fangatahana nampiharina. Navoakan'ny Fitsarana Avo tamin'ny 25 Aogositra 2019 ny didim-pitsarana rehefa vita ny fitsarana.

Noderaina ho toy ny fandresena manan-tantara ny didim-pitsarana ho an'ireo fikambanana izay nitolona ho an'ny famoahana ny fitoriana. Eo ambanin'ity lalàna vaovao ity dia tsy maintsy milaza ihany koa na tsy manambady, maty vady na nisara-bady ny lehilahy mpampaka-bady .

Taorian'ny didim-pitsarana, niresaka tamin'ny Daily Start i Aynun Nahar Siddiqua avy ao amin'ny Sampan-draharaha sy ny Tolotra Fanampiana Ara-pitsarana ao Bangladesh (BLAST) momba ny antony tsy nanovana ny Kabin-nama (izay natsangana nandritra ny fitondrana Pakistan tamin'ny taompolo 1960) na dia taorian'ny fahaleovantenan'i Bangladesh tamin'ny taona 1971 aza.

Hoy izy tamin'ny antsafa iray hafa niaraka tamin'i Orina Mpanasoa Thomson Reuters hoe “Manome antsika fanantenana fa afaka miady ary mamorona fanovana bebe kokoa isika ho an'ny vehivavy amin'ny hoavy amin'ity fanapahan-kevitra ity” hoy izy.

Niditra tao amin'ny tambajotra sosialy ireo mpisera mba haneho hevitra momba ity fanapahan-kevitra vaovao ity. Nanoratra momba ny faniriana iraisan'ny lehilahy Bangladeshi sasany mba hanambady virjiny i Rahat Mustafiz ao amin'ny bilaogy Women Chapter:

Nanome ohatra avy amin'ny Mpaminany Mohammad tao amin'ny Facebook i Samina Anwar:

(in those days) Prophet Muhammad (SAW) did not go after “virgins”. He was after rescuing (widowed) women and taking care of them. This was how broad-minded Prophet Muhammad (SAW) was.

How many Muslim men these days would marry a widow or a divorcee? If one is to follow the real sunnah – are men not supposed to follow what Prophet Muhammad (SAW) practised?

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2019/09/16/143065/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/