Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Tsikerain'ny mpitondra fivavahana amin'ny fomba fitafiny ny ekipa volleyball vehivavy ao amin'ny Olaimpikan'i Tokyo [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2021-08-28 00:00:00
Nandresy an'i Shina tamin'ny set 3–0 ny ekipan'i Torkia vehivavy amin'ny volleyball, malaza ho “Soltànan'ny Harato,” nandritra ny lalao olaimpika tao Tokyo tamin'ny 25 jolay. Fandresena mendrika ankalazaina izany — efa nahazo medaly olaimpika enina i Shina teo aloha tamin'ny taranja volleyball vehivavy ka tafiditra amin'izany ny volamena telo. Saingy raha maro ireo nidera ny ekipa tiorka izay hifandona amin'i Italia ny lalaony manaraka, ny hafa kosa nisedra fibedesana noho ny fitsikerana ireo mpilalao noho ny tsy fisian-ny lazain-dry zareo ho fahamaotinana eo amin'ny mpilalao.
Nalaza haingana tamin'ny aterineto i İhsan Şenocak, mpanorina ny Foibem-Pikarohana Siantifika sy Ara-paharanitan-tsaina (IFAM), fikambanam-pivavahana iray ao Torkia, rehefa nitsikera ny (tsy) fanetre-tenan'ny mpilalao. Niteraka fitabatabana anjotra sy vao maika nanampy trotraka adihevitra amin'ny zon'ny vehivavy sy ny lahika(isma) ao Torkia ny siokany mitsikera ny ekipa sy miady hevitra amin'ny anjara toeran'ny vehivavy ao amin'ny Islam.
Nirarakompana ny valiny avy amin'ireo mpisera Twitter Tiorka.
Ny setrin'ny sioka nataon'i Şenocak no nahatonga ilay mpisera hizara sioka iray hafa izay nilazànu “tsy misy zava-manohintohina” tamin'ny sioka nataony teo aloha ary “antso tsotra fotsiny amin'izay tokony atao sy tsy ataon'ny vehivavy ao amin'ny Islam iny.”
Tamin'ny taona 2019 i Şenocak nanao toriteny izay izy ihany no nitatitra izay nolazainy, “zanakavavy, vady, manao pataloha, mandeha any amin'ny oniversite, ary manao ny volomasony, hiafara any amin'ny afobe ireny.”
Tsy vao sambany ny Soltàny no ambany fanarahamason'ireo mpandala ny nentindrazana izay lehilahy ny ankamaroany. Tamin'ny Janoary 2020, nesorina tao amin'ny antoko ny mpikambana iray ao amin'ny Antokom-Bahoaka Nasionaly (MHP) Birol Şahin, rehefa niampanga ny ekipa ho tsy maotona. Taorian'ny fandreseny an'i Alemaina nahafahan'ny ekipa handray anjara amin'ny Lalao Olaimpikan'i Tokyo, nilaza i Şahin, “Amin'ny fihaikanareo ny didin'Andriamanitra handrakotra ny vatanareo, mitafy tsy maotona ianareo, maneho vatana ianareo ary faly amin'izany satria ho any Tokyo ianareo.”
Misy fifanenjanana hatrany eo amin'ireo mpandala ny nentin-drazana sy ireo lahika ao Torkia. Tamin'ny taona 2014, nampangain'ny Filoha Erdogan ho tsy mahalala na inona na inona amin'ny maha-reny ny feminista. Raha niteny tamin'ny vovonana iray tao Istanbul, voalaza fa niteny izao ny filoha, “Misy olona mahatakatra izany raha tsy afa-manakatra izany ny hafa. Tsy ho hainao ny manazava izany amin'n feminista satria tsy manaiky ny tsirinkevitry ny maha-reny ry zareo.”
Tamin'ny jona 2021, niala tamin'ny Dinan'i Istambul — fampianarana iray miaro ny vehivavy amin'ny fihoaram-pefy an-tokantrano sy ny fanohintohinana ara-pananahana — ny governemanta teo ambany fitantanan'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana. Tao amin'ny lahatsoratra iray ho an'ny Al-Monitor, nampangain'ny mpanao gazety Pinar Tremblay ireo mpandala nentin-drazana milaza ho miaro ny maha-vehivavy, sady mamadika ny vehivavy ho amboara (fandrombaka na mahalaza azy hafa ny hoe entambarotra).
The state’s patriarchal Islamist ideology has made women’s bodies vulnerable. In its logic, women are the property of men. Each political conflict is seen as a battle. When the battle is over, the winner can have the loot, including the women and girls. For example, after the July 15 attempted coup, pro-AKP social media posts claimed that the “wives of putschists are our trophies.” During the referendum of 2017, an employee of Istanbul Municipality posted on social media that it was war, and when those who oppose the presidential system lose the referendum, “we can have their daughters and wives.”
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2021/08/28/153795/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/