Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan’ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô · Global Voices teny Malagasy [1]
['Ángel Carrión']
Date: 2021-08-25 00:00:00
Tsy azo lavina fa marefo manoloana ny fiovaovàn'ny toetrandro sy ny fahasimbàn'ny fahamaroam-piainana ny vohitra iray amorontsiraka toa an'i Rincón, ao amin'ny tendro faran'ny andrefana indrindra amin'ilay nosy lehibe ao Pôrtô Rikô.
Izany no antony, nandritra ny herinandro maro, nanaovan'ireo olona marobe hetsipanoherana teo amin'ny torapasik'i Los Almendros ao Rincón, toerana amerenana manorina indray ny dobo filomanosana iray ravan'ny rivomahery Maria tamin'ny 2017.
Mampanahy ny mponina ny fihazakazaky ny faharavàn'ny tontolo iainana, ny tsy fahampiana manantantaran'ny vina avy amin'ny fitondràna momba ny fiovàn'ny toetrandro, ny fiahiahiana fisiana kolikoly noho ny fahitàna ireo pôlisy marobe ary ny fanakantsakanana ny fidirana eny amin'ny torapasika noho ny fisian'ny fanorenana ataon'olontsotra.
Tsy miankina ny “Condominio Sol y Playa”, tompona tangoron-trano eo amoron-dranomasina, izay tompon'ilay dobo filomanosana. Lazain'ireo mpanakiana an'ilay tetikasa fa aorina akaiky loatra ny rano ilay dobo filomanosana, izay efa hadisoana tamin'ilay dobo talohany. Miaraka amin'ireo tafiotra mahery sy lasa matetika mitranga ao Karaiba noho ny fiovàn'ny toedrandro, mazava ho azy fa mety horavan'izay tafiotra mahery ho avy manaraka ao Pôrtô Rikô eo ilay dobo filomanosana.
Ao Pôrtô Rikô, ny torapasika dia raisina araka ny lalàna ho toerana natao ho an'ny daholobe ary, araka izany, dia tsy maintsy atao izay hahazoan'ny rehetra miditra aminy amin'ny fotoana rehetra. Io mazàna no teboka iray mampifandrirotra an'ireo olontsotra sy ireo mpampivoatra tanàna izay manorina trano be kojakojany eny akaikin'ny torapasika.
Asehon'ity lahatsary nalaina drôna ity ny toerana nisy ilay dobo filomanosana:
Teboka iray hafa naroson'ireo mpanakiana ny hoe ao anatina faritra tanety-amoron-dranomasina ao Pôrtô Rikô no misy ilay dobo filomanosana, izay velaran-tany mora tratry ny onja mandritra ireo tafiotra mahery. Ireo faritra tanety amoron-ndranomasina dia toeram-ponenana saropady ho an'ireo karazan-javatra tandindonim-paharinganana, toy ny fano valozoro sy ny fanomena (Eretmochelys imbricata), izay tonga mametraka ny atodiny ao amin'ny torapasik'i Los Almendros. Tsy ela akory izay, nisy fanomena iray tsinjo tao anatin'ilay faritra natao hanorenana ary atody niisa 180 no tsy maintsy nahisaka sy nafindra toerana. Amin'izao fotoana izao, misy akanina fanomena miisa efatra sy akanina fano valozoro miisa roa ao amin'ny faritry ny torapasik'i Los Almendros.
Manaraka ny morontsirak'i Pôrtô Rikô, misy marobe ireo ohatra amin'ireo tetikasam-panorenana trano izay nomena alàlana hiorina mifanohitra amin'ny lalànan'ny fanorenana sy ny tontolo iainana ao Pôrtô Rikô. Tsy azo ihodivirana fa hampanjary ho tsy azo ipetrahana ireo fotodrafitrasa sasantsasany ny mety ho fiakaran'ny ranomasina ato anatin'ny taona vitsivitsy ho avy, raha tsy handrava tanteraka azy ireny mihitsy aza angamba, ary ho loza mitatao ho an'ny ain'olombelona. Efa hatry ny ela ireo mpahay siansa no nanasongadina fa io tsy resaka momba ny hoe raha hitranga fotsiny izany, fa ny hoe rahoviana. Ireo zavamitranga eny amin'ny atmôsfera toy ny Tafiotra Mahery Maria, izay mbola ratra misokatra ho an’ireo Pôrtôrikàna marobe, dia fampahatsiahivana iray mazava ny maha-marefo an'i Pôrtô Rikô manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Nanitrikitrika ilay mpanolotsaina amin'ny tetikasa fanamboarana dobo filomanosana ho an'olontsotra, Ángel Román, fa nahafeno ny fepetra rehetra izy io ary afaka ny hiatrika tafiotra mahery hafa toa an'i Maria.
Kanefa, tany aloha ny departemanta misahana ny Otrikarena voajanahary sy ny tontolo iainana ao Pôrtô Rikô (Departamento de Recursos Naturales y Ambientales, na DRNA) dia namoaka didim-pitondrana ho fampitsaharana sy tsy fanohizana intsony, tamin'ny volana Mey. Avy eo ny taleny, Rafael Machargo, nanisy fanitsiana an'ilay didy tamin'izay andro izay ihany, nanome alàlana hanohizana ny asa fanorenana.
Ny fanazavana ôfisialy dia hoe tsy dia nazava loatra ilay didy voalohany ka nilàna fanazavana, ary izany no antony tsy maintsy namoahana didy iray vaovao. Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, ny Tale Machargo tsy nety nanao fanehoankevitra. Ny fomba tsy ara-dalàna nandraisana fanapahana ilay didy sy ny fahanginan'i Tale Machargo dia nitondra ho amin'ny fahaterahan'ireo honohono miresaka kolikoly.
Nanomboka nahasarika bebe kokoa ny saina ny fanorenana indray ilay dobo filomanosana an'ny Condominio Sol y Playa rehefa injay i Eliezer Molina, pôlitisiana mpirotsaka fahiny ho amin'ny toeran'ny governora, niampanga ilay tetikasa tao anaty lahatsary nivantana tao amin'ny pejiny Facebook, tamin'ny volana Mey. Vetivety kely ilay lahatsary dia niparitaka be ary vanja nandrehitra ny afo ho an'ireo hetsipanoherana maro ary dingana ara-pitsaràna izay mbola amperiny amin'izao fotoana izao.
Ho setriny, nandefasan'ny governemanta pôlisy marobe teny akaikin'ilay dobo filomanosana vao ho aorina. Marobe ireo mpampiasa media sôsialy no nanipika fa tsy dia fahita ny fahamaroan'ny pôlisy tahàka izao amina trangan-javatra “tena ilàna an-dry zareo” mba hiadiana amin'ny heloka bevava. Araka ny ilazain'ilay olomalazan'ny fahitalavitra, Silverio Pérez, azy :
Notsipihan'ireo mpanao gazety ny fisian'ny fifamatoram-pihavanana eo amin'ny tompon'ilay tranobe sy ireo olobe ara-pôlitika mitana toerana ambony, isan'ireny ny Governora Pedro Pierluisi izy tenany mihitsy, izay tsy naharenesam-peo mihitsy momba ilay olana. Heverin'ny sasany fa ilay fanapariahana pôlisy marobe tsy mahazatra ao amin'ilay toeram-panorenana an'olontsotra dia misy ifandraisany amin'ireny fifamatorana manokana ireny.
Ohatra iray amin'ireny fifamatorana ireny ny an'ilay zanaky ny iray tampo amin'ny Governora Pierluisi, Walter Pierluisi, izay tale pôlitika nandritra ny fampielezankevitra tamin'ny fifidianana 2020 ary tomponà efitrano ao amin'ilay tranobe, araka ny nampahafantarin'ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Jerohim Ortiz Menchaca:
Tao anatin'ny andro vitsivitsy, marobe ny ohatra voarakitra anaty lahatsary momba ny herisetra nataon'ny pôlisy an'ireo mpanao hetsipanoherana, ary nozaraina betsaka teny anaty media sôsialy. Tao amin'ny Twitter, ny Rantsana Pôrtôrikana ao amin'ny American Civil Liberties Union (ACLU) dia nanipika ny tsy nahavitan'ny pôlisy nitàna ny teniny hanao fanavaozana:
Once again we witness a PR police that clearly is barely reformed. Beating and arresting environmentalists protesting destruction of coastal beach and wildlife habitat to serve private interests is not free speech. Excessive force by PRPB is once again at the forefront. @aclu
— ACLU Puerto Rico (@ACLUPR) July 26, 2021
[END]
(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2021/08/25/153638/
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/