Author Name: GlobalVoices.
(C) GlobalVoices.org
This unaltered story was originally published on GlobalVoices.org.[1]
Republishing Guidelines:
url:https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/
--------------------



Mbola miasa na dia tafihana, samborina sy endahina aza ny gazety pro-demaokraty Apple Daily [1]
['Hong Kong Free Press']
Date: 2021-08-10 00:00:00

Ny lahatsoratra manaraka etoana dia ango-tatitra nosoratan'i Kelly Ho sy i Candice Chau izay nivoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 17 sy 18 jona 2021. Nozaraina teto amin'ny Global Voices izany araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mbola nanohy ny asany ary namita printy kopia 500.000 ihany ilay gazety mpanaitaitra mivoaka isan'andro sady manohana ny demaokrasia avy ao Hong Kong antsoina hoe Apple Daily tamin'ny 18 jona taorian'ny nanafihan'ny polisin'i Hong Kong ny foiben-toerany sy nisamborana ireo mpitantana ambony miisa dimy tao aminy noho ny ahiahy “fanomanana teti-dratsy ifandraisana tendro amin'ny hery vahiny”.

Noraofina nandritra izany fanafihana izany ny kapika mafonjan'ny solosaina miisa 44 ahitana votoaty fanoratan-gazety ary nohazonina ny anto-bola miasa mitentina 18 tapitrisa dôlara HK (eo ho eo amin'ny 2,32 tapitrisa dôlara amerikana).

Ny lazaina ho fanitsakitsahana dia lahatsoratra amin'ny teny shinoa sy anglisy manodidina ny 30 tao amin'ny Apple Daily navoaka hatramin'ny taona 2019 niantso ny hanasaziana an'i Shina na i Hong Kong.

Nandritra ny valandresaka ho an'ny gazety tamin'ny 17 jona, nampangain'ny lehiben'ny filaminana ao Hong Kong, Atoa John Lee, ny Apple Daily ho mampiasa ny fanaovan-gazety ho fitaovana handrahonana ny filaminam-pirenena ary nampitandremany ireo mpanora-gazety hakakombom-bava amin'ny fisamborana ireo mpitantana miisa dimy na raha tsy izany dia handoa “sara tsy ho zaka”

Saingy mbola nanohy tamin'ny nanaovana ny iraka ampanaovina azy ihany ny mpanangom-baovaon'ny gazety sy ny ekipa (mpiasa). Mihoatra ny 500.000 ny kopian'ny Apple Daily News natao printy sy navoaka teny amin'ny talantalan'ny vaovao ny ampitso.

Ireo mpitantana miisa dimy nosamborina ireo dia ny Lehiben'ny mpanatanteraka (PDG) ankihihihihy Cheung Kim-hung, ny Lehiben'ny Fanatontosana asa Royston Chow, ny Tonian'ny Fanoratana ao amin'ny Apple Daily Ryan Law, ny Mpiara-miasa amin'ny Famoahana Chan Pui-man, ary i Cheung Chi-wai, izay mandrindra ny seha-baovao anjotran'ny gazety.

Nampangain'ny polisy amin'ny fomba ofisialy i Cheung Kim-hung sy i Ryan Law ho mifandray tendro amin'ny singa avy any ivelany tamin'ny 18 Jona, ary hiatrika fitsarana ireo roa ireo ny 19 jona. Mbola nohazonina hatrany tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny telo hafa.

Tamin'ny valandresaka natao taorian'ny bemisina tamin'ny 17 Jona, niteny ny lehiben'ny filaminana tao Hong Kong John Lee hoe :

The suspects have been arrested on strong evidence that they're conspiring to endanger national security.

[…]anyone or any company attempting to use journalistic work as a protective umbrella or cover to commit crimes endangering national security, the SAR government will use the most stringent measure to combat [them] in accordance with the law. […] Ordinary journalists are different, and should not get involved with them, keep a distance from them.

[END]

(C) GlobalVoices
Licensed under Creative Commons Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2021/08/10/153100/

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/