(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ireo “monolithes” an'i Nartiang: Sarin'ireo sisa tavela tamin'ny fanjakan'ny foko indiàna Jaintia [1]

['Arpita Das Choudhury']

Date: 2025-02-26

Meghalaya, fanjakàna ara-poko ao avaratra-atsinanan'i India, dia toeram-ponenana ho ana foko telo: ny Khasi, Jaintia, ary ny Garo. Ny vondrom-piarahamonina Khasi no voalohany indrindra tena monina amin'ireo havoanan'i Khasi atsinanana sy andrefana, ny Jaintia ao amin'ny Havoanan'i Jaintia, ary ny Garos ao amin'ny Havoanan'i Garo. Ireo fokon'ny Meghalaya no mandrafitra fiarahamonina iray izay ny firazanan'ny reniny no firazanana lovain'ny zanaka (famille matrilinéaire).

Ry zareo “Jaintias” na “Pnars”, zanaky ny foko avy amin'ny vondrom-piarahamonina Khasi no tena mponina ao amin'ny distrikan'ny havoanan'i Jaintia Andrefana ao Meghalaya. Na dia ampahany avy amin'ny vondron'ny Khasi aza, ny “Pnar” no fitenin'ireo Jaintias, fiteny iray hafa mihitsy.

Ny Khasis no vondrom-poko lehibe indrindra ao Meghalaya, arahan'ny Garos sy ny Jaintias. Na ny vondrom-piarahamonina Khasi, na ny Jaintia dia samy avy amin'ny vondrom-poko “Hynniew trep” avokoa, izay midika hoe ‘Ireo Trano Bongo Fito” amin'ny fiteny Khasi.

Ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny foko Jaintia dia ahitàna ny “Pnar”, “War”, ary ny “Bhoi”, izay samy antsoina hoe Jaintias. Na mifampizara fitovitoviana ara-kolontsaina vitsivitsy amin'ireo Khasis aza ry zareo, manana fomban-drazana sy fomba fanao mampiavaka azy ny Jaintias ary manaraka ny rafitra fandovàna anaran-dreny.

Hatrany amin'ny taona 500 amin'izao vanim-potoanantsika izao, ny vahoaka Jaintia dia tao anatin'ny fanjakàna Jaintiapur. Io fanjakàna io dia nivelatra avy ao amin'ny faritanin'i Sylhet ao amin'ireo lemak'i Bangladesy amin'izao fotoana izao ka hatrany amin'ireo havoana ao Meghalaya any India. Io fanjakana tokana mandova anaran-dreny (Royaume matrilinéaire) io dia fitambaran'ny “Fanjakana Jayanti” — fanjakana fahizay tao amin'ireo lemak'i Sylhet sy ny “Fanjakana Sutnga” teny amin'ireo havoana. Araka ny literatiora Hindoa, vehivavy no nifehy ilay fanjakàna izay fantatra ho toy ny toerana masina ho an'i Jayanti Devi, andriamanibavy voalaza ao anatin'ilay “Mahabharata” mampitolagaga efa hatramin'i India fahagola.

Nisy fotoana ny faritr'i Nartiang, mitoetra ao amin'ny havoanan'i Jaintia Andrefana, manana toetrandro malefadefaka, no renivohitry ny fanjakana Jaintiapur rehefa lohataona. Ao amin'ny tranonkala “Law Mulong”, marobe ireo monolithes natsangana hanomezana voninahitra ireo mpanjaka Jaintiapur. Ireny monolithes ireny, efa hatrany amin'ny 1500 ka hatramin'ny 1835 amin'izao vanim-potoanantsika izao, no mari-pamantarana ny fanjakan'ireo mpanjaka Jaintia.

Ankehitriny, ireo vehivavy sy lehilahy Khasi ao an-toerana dia tsy tapaka mitsidika an'ireo Nartiang Mawbynna mba hikarakara ilay toerana, sy hitsangantsangana.

Tany am-piandohan'ny taonjato faha-19, nandritra ny fitondran'ny Britanika mpanjanatany tao India ary talohan'ny nahatongavan'ny fivavahana kristiana teny anivon'ny vondrom-piarahamonina Khasi, dia ny foko Jaintia no nifamarotra akaiky indrindra tamin'ny Hindoisma. Finoana tokana no narahan-dry zareo, fantatra amin'ny hoe “Niamtre”, izay mifampizara fitovitoviana amin'ireo fomba fanao hindoa.

Araka ny lazain'ireo mpahay tantara Meghalaya, ireo mpikambana efa nodimandry tao amin'ny foko Jaintia dia nodorana nifanaraka tamin'ny fomban-drazana “Niamtre”, ary ny lavenon-dry zareo dia napetraka anatina cistes mijoro samirery natao avy amina takelabato goavana. Ireny takelabato goavana be ireny, mbola voatahiry hatramin'izao, dia fantatra amin'ny hoe Monolithes-n'i Nartiang, ary toerana iray manandanja ara-kolontsaina sy ara-tantara ao amin'ilay faritra.

Ireo havoana Khasi-Jaintia no toerana misy ireo tahirina mégalithes marobe hita any amin'ireo vohitra toa an'i Jowai, Cherrapunji, Lailungkot, ary Maoflong.

Na izany aza, miavaka ny Zaridainan'ny Monolithe ao Nartiang noho ilay rafitra mégalithique avo indrindra ao Meghalaya ary iray amin'ireo toerana tena manan-tantara indrindra ao amin'ny faritra. Lazain’ireo firaketana ara-tantara fa ny sasany amin'ireny vato ireny dia najoro efa mihoatra ny 500 taona lasa izay, ary nisy vato fanampiny mandra-pahatongan'ny tapaky ny taonjato faha-19. Ny Zaridainan'ny Monolithe ao Nartiang dia toerana ahitàna ny tahiry lehibe indrindra amin'ny karazana monolithes tahaka izany ao anatina toerana tokana monja, isan'izany ilay monolithe avo indrindra mahatratra 8 metatra mahery.

Na nitsingaona aza ny tanjaky ny Fanjakana Jaintia nandritra ny fanjanahantany britanika, mbola nitazona ny dikany ara-kolontsaina ireo monolithes teny anivon'ny fiarahamonina Jaintia. Teny anivon'ny foko Jaintia, mariky ny “fahatsiarovana” ireny monolithes ireny.

Mizara ho ampahany roa ny tsirairay aminy: ny vato mijidina eo ambony, antsoina hoe “Ki Moo Shynrang” na “Menhirs”, dia maneho ireo razambe lahy, raha ny vato mandry marindrano kosa maneho ireo razambe vavy ary antsoina hoe “Ki Moo Kynthai” na “Dolmens”.

Eo am-pidirana amin'ilay Zaridain'ny Monolithe ao Nartiang, misy takelaka iray manome ireo torohay momba ny toerana. Hoy izy io: “Ny Menhir Avo Indrindra, fantatra amin'ny hoe Moo Long Syiem, dia 8 metatra ny haavony ary manana hatevenana antsasa-metatra. Araka ny lovantsofina Jaintia, izy io dia najoron'ilay goavambe Mar Phalyngki.” Marobe amin'ireo monolithes hafa ao an-jaridaina no najoro teo anelanelan'ny 835 sy 1500 tamin'izao vaninandrontsika izao, nataon'ireo foko Jaintia samihafa, isan'ireny ny U Luh Lyngskor Lamare sy U Mar Phalyngki ao amin'ny vohitr'i Nartiang.

Araka ny vakodrazana, tsy nanana tsena i Nartiang tamin'izany, ary tany Raliang ny iray akaiky indrindra. Andro tsena tanaty orambe tamin'izay, nisy Jaintia iray gaovambe antsoina hoe Mar Phalyngki nitady fialofana ary nangataka elo tamin'ny zanaka faravavin'ny lehiben'ny Raliang. Nandà razazavavy ary nankahatra azy hanainga vatobe iray teo an-tsena sy hampiasa izany hataony elo. Nanaiky ilay fanamby i Mar Phalyngki ary nitondra ilay vato hatrany an'ala teo akaikin'i Nartiang, toerana namelàny azy vantany vao nitsahatra ny orana.

Ny fitanisàna ireny mégalithes ireny dia mipoitra any anatin'ireo literatioran'ny tapaky ny taonjato faha-19, ka any dia heviny hafa no ilazàn'ireo mponina an-tampon-kavoana ny asan'izy ireny. Ny fampitahàna ireny fomba fandikàna ireny amin'ireo lahatsoratra antrôpôlôjikan'ny mpanjanaka dia mampivoitra fa nanana dikany goavana ara-pinoana izy ireny, no sady nitàna anjara asa pôlitika sy sôsialy ho an'ireo foko Jaintia.

Na tsy manam-piforonana voajanahary aza ireo rafitra monolithes ao Nartiang, dia mitàna anjara toerana goavana any anatin'ny fitantaràna ny fihavanana avy amin-dreny, ny fahefana sy ny tanjaky ny fanjakàna iray izay niroborobo fahiny.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/02/26/173568/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/