(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Manolotra sehatra azo antoka ho an'ireo mpanao gazety sy mpandala ny zon'olombelona miatrika fahasahiranana ao Myanmar [1]
['Mong Palatino']
Date: 2025-02-21
Efa-taona amin'ity volana febroary ity ny fanonganam-panjakana tao Myanmar, izay nanohizan'ny miaramila ny sivana feno amin'ny fampitam-baovao sy ny fanafoanana amin'ny fomba feno habibiana ny feo mpomba ny demôkrasia.
Nanery ireo fampahalalam-baovao tsy miankina hamindra ny asany any ambanin'ny tany na any amin'ny faritra saro-dalana na any ampitan-dranomasina ny fanonganam-panjakana. Niavo-tena fatratra ny mpanao gazety sy ny mpandala ny zon'olombelona, indrindra taorian'ny nandidian'ny governemanta miaramila ny famoretana faobe nahatra tamin'ireo hery fanoherana sy ireo heverina ho manohana ny fanoherana. Rehefa nihamafy ny fifandonana, mpanao gazety sy mpikatroka an-jatony sy ny fianakaviany no nandositra an'i Myanmar ary nitady fialofana tany amin'ireo firenena manodidina.
Tao anatin'izay efa-taona izay, maro ireo hetsika natao hanasongadinana ny asa sarobidy vitan'ireo fampitam-baovao tsy miankina sy ny mpiaro ny zon'olombelona. Miankina amin'ity fanohanana ity ny fanomezana vaovao azo itokisana momba izay zava-mitranga eny an-kianja ao Myanmar sy ny fampiharihariana ny habibian'ny fitondra-miaramila. Ohatra amin'izany ezaka izany ny fanampiana omena ireo mpanao gazety sy mpikatroka ahafahan'izy ireo manohy ny asany sy mandray anjara amin'ny fanoherana ny fitondrana jadona. Izay no iraky ny Exile Hub izay efa nanangana toerana azo antoka ho an'ireo mpisehatra mpomba ny demokrasia miisa 2.100 ao anatiny sy ivelan'i Myanmar.
Noantsafain'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny mailaka i Kay, tompon'andraikitry ny seraseran'ny Exile Hub, izay isan'ireo nanatrika ny vovonam-pampitam-baovaon'olompirenena Global Voices 2024 tany Nepal. Nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny “fanahin’ny fiaraha-miasa” amin’ny “fananganana tambajotra matanjaka afaka miara-miatrika ny olana maneran-tany”. Nanaovany fehin-teny ny zavatra ataon'ny Exile Hub hanomezam-bahana ireo feo mitsikera ao Myanmar.
We provide holistic support to media professionals and pro-democracy activists across Myanmar and the broader Mekong region, helping them amplify their voices and remain engaged in important global conversations. Ultimately, it’s about creating safe spaces where they can thrive, whether within their home countries or in exile.
Natsatony ihany koa ny tsangambaton'ny fandalàna tontosa:
Another big achievement is the strong support network we’ve built. Whether it’s legal aid, financial support, or mental health resources, we make sure they’re not facing these challenges alone.
Asongadin'ny tranokalan'ny Exile Hub ny sasany amin'ireo fiaraha-miasa nozakainy. Ohatra, niasa tamin'ny famindran-toerana an'i Ma Htake Htar, mpanao gazety mpamaky bantsilana nanoratra ny fiantraikan'ny fampanjakana ny miaramila amin'ny vehivavy sy ny ankizy, ho amin'ny toerana azo antoka. notohanany ihany koa ny asa anjotran'i Ma Su Thit, vadi-miaramila iray mizara ny zavatra iainan‘ny vadi-miaramila sy manentana azy ireo hanatevin-daharana amin'ny ady ho amin'ny rariny. Notohanany i Yan Naing Aung izay namboraka ny zava-misy henjana atrehin'ny fianakaviana nafindra toerana tany avaratr'i Thailandy. Hita tao amin'ny Washington Post ity piesy mamaky bantsilana ity.
Notantarain'i Kay ny fanamby atrehin'izy ireo amin'ny fitenenam-piarovana:
One of the biggest challenges we face is keeping the people we support safe — especially those near the Thai–Myanmar border and those still inside Myanmar. Life at the border is incredibly tough. Many are undocumented, which means they’re constantly at risk of deportation or intimidation. It’s like walking a tightrope — trying to provide support while ensuring their safety.
For those still inside Myanmar, the situation is even more dire. They’re under constant surveillance, facing threats simply for doing their job. On top of that, we’re always working with limited resources, which makes everything more complicated — whether it’s legal support, mental health care, or just ensuring that marginalized groups get the help they need.
And, of course, working in a politically charged environment comes with its own risks. Just advocating for human rights can put a target on your back.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2025/02/21/173661/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/